Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Mey, 2012

30 Mey 2012

Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra...

29 Mey 2012

Zeorzia: Andianà Mpitondra Fivavahana Ortôdôksa Nanafika Mafàna Fo LGBT

Teo am-panaovana diabe hanamarihana ny 17 May, Andro Manerantany Hiadiana Amin'ny Fanilikilihana, dia nosakanan'ny andianà Kristiana Ortodoksa ireo Olona Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana LGBT Zeorziana,tao Tbilisi, renivohitra Zeorziana. Tatitr'i Mirian Jugheli

23 Mey 2012

Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka

Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fifampiresahana eo amin'ny papa sy ireo vondrona mpisintaka – nandritra ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Harvard. Milaza ireo mpanao fihetsiketsehana...

17 Mey 2012

Korea Atsimo: Moines Tratra Niloka, Nigoka Ary Nifoka

Tao Korea Atsimo, mpitarika enina avy amin0ny holafitry ny Bodista goavana indrindra ao amin'ny firenena no tratra nilalao Poker niaraka taminà tontona avo dia avo, no sady nisotro sy nifoka ihany koa. Ilay tranga dia niparitaka tamin'ny alàlan'ny lahatsary iray nivoaka an-tsokosoko, nampiseho ireto 'moines' mitana toerana ambony ireto niloka...

04 Mey 2012

Hong Kong: Ampangain'ny Evanjelisitra Ho Mamery Ny Tanora i Lady Gaga

Mitety an'i Azia mitondra ny antontan-kira ‘Born this Way Ball’ amin'izao fotoana izao ilay mpanoratra hira sy mpihira Amerikana Lady Gaga. Efa voapetraka ho amin'ny 2 mey sy 7 mey 2012 ny fampisehoana hotontosaina any Hong Kong. Nametraka adihevitra tao amin'ny fiarahamonina tao an-toerana ny vondrona evanjelisitra iray manohitra ny fahatongavany...

03 Mey 2012

Indonezia: Tokony Hampidina Ny Haavon'ny Feon'ny Vavaka Ve Ireo Moske?

Ireo moske ao Indonezia dia mampiasa fanamafisam-peo avokoa mba hanapariahana ny “adzan” in-dimy isan'andro hampahatsiahivna ny olona hivavaka. Tsy ela akory izay, nangataka ny moske ny Filoha Lefitra mba hampidina ny haavon'ny antso hivavaka mba tsy hanelingelina ny hafa. Niteraka resabe ilay soso-kevitra.