Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Aogositra, 2012
Mpanao Sariitatra Politika Toniziana _Z_: ‘Tsy Nisy Zavatra Tena Niova’
Nampiasa ny bilaoginy manokana debatunisie.com hanambarany ny heviny hatramin'ny 2007 ny mpanao sariitatra politika tsy fantatra anarana ‘_Z_’. Hita ho tsy mahafaly ny Islamista ao Tonizia ihany koa ny sariritatra tsy nahafaly...
Etazonia: Midika Inona Ho An'ny Olona Miteny Espaniola i Paul Ryan
Hatramin'ny andro nisafidianan'ilay Repoblikana mihazakazaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, Mitt Romney, an'i Paul Ryan mpikambana ao amin'ny Kaongresy ao Wisconsin, ho mpiray lisitra aminy, goavana tokoa ny fandrakofan'ireo mpampahalala vaovao an'izany, na mpomba, na mpanohitra ilay fanapahan-kevitra.. Vitsy no voalaza momba ny fiantraikany teo amin'ny vahoaka tao Etazonia ary indrindra indrindra fa ny vondrom-piarahamonin'ireo miteny Espaniola.
Libya: Lanonana Fifamindram-Pahefana Nakorontan'ny Resaka Hijab
Nisy olana nanamaloka ny lanonam-pamindram-pahefana teo amin'ny Filankevi-Pirenena Tetezamita Libyana sy ny mpikambana 200 vao voafidy ao amin'ny Kongresim-Pirenena ankapobe: Ny mpiandraikitra ny arofenitra tamin'io fotoana io dia vehivavy mpanolo-baovao...
Pakistana: Mitohy Ny Famonoana Ikendrena Ny Shiita
Ny 16 Aogositra 2012, nisy olona mitam-piadiana nanakana fiabe mpitatitr'olona tao Mansehra, nisintona Silamo Shiita 20 ary namono azy ireo an-kitsirano. Tranga fahatelo nikendrena ny vondrom-piarahamonina Shiita tao Pakistana io tato anatin'ny 6 volana. Mpikirakira aterineto no manamarika hoe : "Eritrereto raha hoe notanterahana tao anaty fandrindrana maty paika ny famonoana ireo voalohany nokendrena tao #Pakistan, mety tsy ho nisaona ny tao #gilgit akory isika androany!"
Zambia: Pretra Katolika Voaroaka Noho Ny Toriteny Momba Ny ‘Fahantrana’ Nataony
Pretra Katolika avy amin’ny paroasy ao amin’ny faritany Ambanivohitra ao Atsinanan’i Zambia no noroahin’ny governemantan’i Zambia hivoaka ny fari-pirenena noho ny sermona nataony indray Alahady izay nilazany fa miha-manankarena ny mpanankarena...
Arabia Saodita: Iftar Ramadany Hitenenana Hoe Lavina Ny Fitsitokotokoana
Nanapa-kevitra ny andian-dehilahy Saodiana iray fa hanitsaka ny fitsitokotokoana ka nikarakara sakafo maraina Iftar nahitàna niaraka ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonina Sunni sy Shia.. Ny fahombiazan'ny hetsika 'Lavina ny fitsitokotokoana' tao Riyadh dia mandrisika ireo Saodiana hikarakara hetsika toa azy iny manerana ny Fanjakana.
MENA : Mandray Ny Ramadany
Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary Hankalazana ny fahasoavany. Manerana izao tontolo izao, ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary maromaro, nizara azy ireo tanaty karazana vohikalam-pifandraisana sosialy isan-karazany
Etiopia: Nalaza Vetivety Ny Hafatra Firaisan-kina Nataon'ny Kristianina ho an'ny Silamo
Raha mbola manohy fihetsiketsehana milamina entina hampitsahatra ny governemanta etiopiana amin'ny fitsabahany ny raharaham-pivavahany ireo etiopiana -silamo, nalaza vetivety kosa tany Etiopia ilay hafatra firaisan-kina avy amin'ireo kristiana mpiray tanindrazana. Maro ireo etiopiana...