Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Mey, 2017

30 Mey 2017

Taorian'ny Tabataba, Niezaka Ny Niala Tsiny Tamin'ireo Vondrom-piarahamonina Kristianina Ao Iraka Ny Lehiben'ny Shiita

Niteraka fitoriana maromaro napetraky ny fianakaviana Kristianina Irakiana azy ny fanehoan-kevitra farany avy amin'i Alaa al-Moussawi noho ny fanakorontanana ny fimaroan'i Iraka. Niala tsiny izy avy eo.

26 Mey 2017

Zeorzia: Ny Fahamaroam-Piterahana Masina!

Nitombo 20 isan-jato ny taham-piterahana ao Zeorzia ary nahazo tombontsoa tamin'izany ny Eglizy Ortodoksa ao amin'ny firenena. Ny fampanantenana nataon'ny mpitarika fiangonana Zeorziana amin'ny fanaovana batisa ireo zaza vao teraka no tompon'andraikitry ny fahagagana tamin'ity baby boom nilaina fatratra tao amin'ny firenena Kristianina iray ity. Toa nahagaga ireo bilaogera izany

Ejypta: Lehilahy Bilaogera Ejypsiana Manafatra “Hymen” Tsy Voajanahary

Marobe ireo fanehoan-kevitra momba ny hymen virijiny tsy voajanahary - nividy iray tamin'izany ilay lehilahy bilaogera Ejypsiana Mohamed Al Rahhal. Mitantara antsika ny tantara i Marwa Rakha

24 Mey 2017

Pôrtô Rikô: Politikam-Pananahana

"Hey Neny, inona izany fanalàna zaza? Efa nanao izany ve ianao? Ummm eny, ary efa nihevitra ny hanala anao aza aho. Ao anatin'ity lahatsoratra fanangonana ity, miizarazara ny hevitr'ireo bilaogera Pôrtôrikàna momba ny resaka maha-vehivavy, ny zo ara-pananahana ary ny mariazy pelaka.

22 Mey 2017

Qatar, Misaina ny Fanahy sy ny Fomba Fanao Rehefa Ramadàny

Ezahan'ireo mponina ao Doha, Qatara ny manaraka ny Ramadàny sy ireo fameperana ary sazy manokana miaraka aminy.

20 Mey 2017

Palestina: Fiandrasana Doboka Tafondro Tao Gaza Amin'ny Andron'ny Iftar

Ny ady tao Gaza dia nahatonga ireo fombandrazana marobe ho lasa fahatsiarovana fahagola sisa. Mahatsiaro ny nifaranan'ny fomba fanao rehefa Ramadan i Hazem [ar] Palestiana bilaogera, izay tsaroan'ny raibeny efa lasa nodimandry.

Bahrain: Ramadany Iray sy Eid Iray

Miankina amin'ny fijerena ara-bakieny ny volana vaovao ny fiandohan'ny volana masin'ny Ramadany, miteraka datin'andro samihafa ho fanombohana azy any anivon'ireo sekta Miozolmana isankarazany. Tamin'ny taona 2009 ny Sionita sy ny Shiita tao Bahrain dia niaraka nanomboka ny volana taminà andro iray - ary nankalaza izany firaisana tsy fahita firy izany...

Israely: Noho ny Fitiavana Sakafo

[...] satria rehefa miteny ny olona hoe "sakafo jiosy", voamariko fa tsy miresaka afa-tsy sakafo ashkénazes (avy any Eoropa atsinanana) ry zareo. [...]

10 Mey 2017

Avelao Izahay Hitsifitra :  Tonga Any Rosia Ny Graffiti Ortodoksa

Akon'ny RuNet

Mazàna tsy miaraka ny Eglizy Ortodoksa Rosiana sy ny zavakanto an-dalambe , kanefa nanaporofo ny zavatra naningana tamin'izany fomba fijery izany ny fiaraha-miasa vao haingana teo amin'ny mpanakanto an-dalambe sy ny Pretra any amin'ny faritany iray.

06 Mey 2017

Any Jordania, Mahazo vola Be Foana Ireo Mpandraikiraiky

"Ny fijerena izay azo antsoina ankehitriny hoe ody na ny fitetezana ny fomba amam-panao silamo dia manome fahafahana manitatra amin'ny trangan-javatra maro izay azo eritreretina ho "silamo".