Nanoratra Taratasy Ho An'i Kristy Ireo Bilaogera Iraniana

(Marihina fa tamin'ny 11 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra)

Toa tahaka ny mahagaga angamba izany, kanefa bilaogera Miozolomana maromaro no nanoratra taratasy ho an'i Jesoa Kristy tao amin'ny bilaoginy izay nitaraina momba ny fanevatevan'ireo Tandrefana ny Miozolomana, ary indrindra indrindra tamin'ny sarimihetsik'ilay solombavambahoaka Holandey Geert Wilders tsy tia Islamo antsoina hoe Fitna. Mandritra izany fotoana izany, nanao fihetsiketsehana manoloana ny masoivoho Holandey tao Teheran ireo andian-tanora milisy islamista Basij manameloka ilay sarimihetsik'i Wilders.

kosoofbasiji.jpg

Namoaka sary maro avy amin'ity fihetsiketsehana ity i Kosoof , bilaogeran-tsary  Iraniana fanta-daza. Ny iray amin'ireo teny filamatra ao amin'ny sary etsy ambony dia mivaky hoe “Ny biby no tena ao anaty sivilizasiôna indrindra raha midika hoe sivilizasiona ny tsy fisaronam-boaly.”

Nanomboka ny taratasiny ho an'i Jesoa i Goldokhtar , vehivavy mpianatra relijiozy iray ary nanoratra hoe “Miarahaba Atoa Jesosy Kristy”. Hoy izy nanohy [Fa]:

“Do you know what I am thinking? When and where did all these these Fitnas start? A few years ago these anti-Islamic films began to be produced. Before the Islamic Revolution, nobody paid attention to Islam and its saints… After the Islamic Revolution other revolutions took off… Then they did not know what to do, and they started doing childish things to hurt Islam's image in the world.”

“Fantatrao ve izay eritreretiko? Oviana ary taiza no nanombohan'ireny Fitnas rehetra ireny ? Nanomboka novokarina ireo horonantsary tsy tia islamo taona vitsy lasa izay. Tsy nisy nijery iza finoana Islamo sy ny olo-masiny talohan'ny Revolisiona Islamika, … Taorian'ny Revolisiona Islamika dia nipoitra ny revolisiona hafa… Ary tsy fantan'izy ireo izay tokony hatao, ary nanomboka nanao fisainan-jaza izy ireo mba hanohintohinana ny endriky ny Islamo eran'izao tontolo izao. “

Nanampy ilay bilaogera fa tokony hotoherin'ny sarimihetsika ataon'ny Miozolomana ny sarimihetsika Not without My Daughter (Tsy handositra aho raha tsy miaraka amiko ny zanakovavy) sy 300 .

Nanoratra i Mehdi hoe [Fa]:

“Christ, I am a Muslim who likes you. Don't be sad about insults to your brother Muhammad, the Prophet. We all know these people are not your followers. They are not the ones who carry the cross, but launch crusades and kill people.”

“Kristy, Miozolomana tia anao aho. Aza malahelo noho ny faniratsirana ny rahalahinao Muhammad, ilay Mpaminany. Fantatsika rehetra fa tsy mpanaraka anao ireo olona ireo. Tsy  mitondra ny hazo fijaliana izy ireo fa nanomboka ny kroazady sy ny famonoana olona. “

Nanontany ilay bilaogera raha efa voaomana ny fiitaran'isan'ny fanafihana an-tsarimihetsika mamely ny Miozolomana.

Nanoratra ho an'i Jesosy [Fa] i Pangare  : “Ampio izahay mba hanohitra ireo fanevatevana ireo … Fantatro fa manohana anay ianao ary afaka mamaky ny ao am-poko.”

Ankoatra ireo Islamista, maro ireo bilaogera no nizara ny fihetseham-pony sy ny heviny momba ilay sarimihetsika.

Nilaza i Arsham Parsi, mpikatroka mpitarika ny zon'ny pelaka ao Iran [Fa] hoe: “Misy ny fomba lojika vitsivitsy hanehoana hevitra momba ny zavatra iray na hanoherana izany. Nijery ity horonantsary ity aho, ary manohitra izany ihany koa . “

Hoy i Paroo Zadan nanoratra hoe :

“I watched it and I found it ridiculous. How many Muslims are extremists? I think Muslims should first produce films to counter Fitna's impact, and then try to think what makes people see us like this. Filtering and threatening just strengthens the film. Instead of jihads to kill people, our religious leaders should make jihads to make known to others the good side of Islam.”

“Nijery izany aho ary hitako fa tsy misy dikany izany. Firy ireo Miozolomana mpitrifana? Heveriko fa tokony hamokatra sarimihetsika aloha ny Miozolomana hanoherana ny fiantraikan'i Fitna, ary avy eo miezaka mieritreritra ny antony mahatonga ny olona hihevitra antsika toy izany. Vao mainka manamafy hery ilay sarimihetsika ny fanasivanana sy ny fandrahonana.  Tokony hanao jihads hampahafantarana ny lafiny hafa tsara amin'ny finoana Islamo ​​ny mpitondra fivavahana fa tsy tokony hanao jihads hamono olona. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.