· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Desambra, 2017

Fijery Arabo: Feon'Ireo Mpandalina Ny Finoana Silamo

Tsy ireo bilaogera miteny Anglisy avy any Afovoany Atsinanana irery ihany no miezaka tsy an-kiato mampitohy ny hantsana ara-kolontsaina, fa misedra ady mitovy amin'io koa ireo bilaogera miteny Arabo ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo. Mitsikera ny sasany amin'ireo fady anatin'ny rafitra misy azy ireo mpandalina ny finoana Silamo.

24 Desambra 2017

Topimaso Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Syriana

Taorianà volana henjana noho ireo hetsipanentanana manohitra ny herisetra, toa nitony ny tontolon'ny bilaogy Syriana tamin'ity herinandro ity… Nanodidina ny dingana vaovao nataon'i Etazonia hanome 5 tapitrisa dolara ho fampiroboroboana ny fitondrana demôkratika sy ho fanavaozana an'i Syria ireo adihevitra.

22 Desambra 2017

Azerbaijàna : Ny Andron'ny ‘Achoura’

Omaly [7 Janoary] ny Achoura, fetim-pivavahana fahatsiarovana ny martioran'i Hussein, ilay zafikely lahin'ny mpaminany Mahomet, tamin'ny adin'i Kerbala. Matetika ampifandraisina amin'ny sarinà fikapohana amin'ny rojo vy io fety io, kanefa hafa ny fahitàna azy ao Azerbaijàna, firenena izay shiita ny maro an'isa saingy laika silamo ny any atsimon'i Kaokazy.

21 Desambra 2017