Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Avrily, 2011
Goatemalà: Maximón sy ny fombafomban'ny herinandro masina (paska) hafa
Singa ara-pivavahana isan-karazany any Goatemalà no mametraka ny Herinandron'ny Paska (herinandro masina amin'ny teny espaniola na 'Semana Santa') ho maningana, fa tafiditra ao amin'ity fety Katolika ity ny fomban'ny teratany.
Indonezia: Môske-n'ny polisy nokendrena mpanapoaka tena
Nisy mpanapoaka ny tenany amin'ny baomba iray nanafika ny môskea Adz-Zikro izay ao anatina faritra marolafin'ny polisy ao an-tanànan'i Cirebon tany Indonezia tamin'ny Zoma 15 Aprily lasa teo. Indreto ny tora-pon'ny mpamaham-bolongana vitsivitsy.
Palestina : Fakàna ankeriny ilay mpitolona italiana tao Gaza
Navaozina ny Zoma 15 aprily : Notaterin'ireo fampahalalam-baovao isan-karazany maneran-tany fa hita tao amin'ny faritr'i Gaza ny nofo mangatsiakan'i Vittorio Arrigoni ora vitsy taorian'ny nakana azy an-keriny ny Alakamisy 14...
Azia Atsimo: Fanehoan-Kevitra Momba Ny Fandraràna Ny Burqa Ao Frantsa
Ny fandraràna napetraka tsy ela akory izay tao Frantsa momba ny burqa (niqab), voaly mandrakotra ny tava fitondran'ny Silamo, dia niteraka resabe teny anivon'ny tontolon'ny fitorahana bilaogy manerana izao tontolo izao. Tsy manondro mivantana na inona na inona mikasika ny burqa ilay lalàna ary antsoina hoe “lalàna mandràra ny fandrakofana ny tava eny amin'ny toerana iraisam-bahoaka”. Saingy ny fampiharana azy dia miantraika amin'ireo Silamo. Niresaka momba izay olana izay ny maro tamin'ireo mpitoraka bilaogy Aziatika Tatsimo.
Indonezia: Nanome baiko ny Minisitra ny hamindrana ny sarivongan'i Bouddha ao Indonezia
Lasa nampametra-panontaniana ny finiavan'i Indonezia hampiroborobo ny fifandeferana raha nanome baiko ny minisitry ny Raharaham-bahiny handrava ny sarivongana lehibe bodhista an'ny fiangonana bodhista « Tri Ratna » ao an-tanànan'i Tanjungbalai...