Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Janoary, 2012
Gresy: Fomban-drazana Sy Fomba Amam-panao Amin'ny “Andron'ny Hazavana”
Ny "Epiphany" na "Theophany" dia ny fotoana ankalazan'ny Kristiana Tatsinana ny nanaovam-batisa an'i Jesosy tao amin'ny Ony Jordana, noraisina ho ny fotoana nisehoan'ny maha-Zanak'Andriamanitra azy teto amin'izao tontolo izao. Ao Gresy, ny 6 Janoary no andro nolovaina tamin'ny razany, ary fantatra amin'ny hoe Phota ("hazavana"). Ndeha hiaraka aminay hanao fitsidihana an-tsary sy an'eritreritra ireo tantara malaza fahiny eran'ireo nosy sy tanana Grika.
Gresy: Fanakianana Ireo Mpanao Politika Nandritra Ny Fankalazàna Ny Theophany
Tao Gresy, ny 6 Janoary dia androm-pirenena fankalazàna ny Theophany. Isan-taona, ny governemanta sy ireo mpiasam-bahoaka dia mandray anjara amin'ilay fankalazàna, ka aorian'izany no ananan'izy ireo fotoana hanaovana fanambaràna amin'ny fomba ofisialy. Kanefa, noho ny fahasahirànana ara-toekarena, politika ary sosialy lalovan'i Gresy, ny fankalazàna tamin'ity taona ity dia voamariky ny fanehoan-kevitra mivaivay noho ny tsy hafaliana sy ny fanakianana ireo mpanao politika..
Frantsa: Birao Famoahana Gazety Mpandrabiraby Nodorana Taorian'ny Nanarabiany ny Sharia
Nandritry ny alin'ny 2 Novambra 2011 dia nisy nanafika tamin'ny alalan'ny solika napoaka [en] ny birao foiben'ny orinasa mpamoaka gazety mpandrabiraby mivoaka isan-kerinandro antsoina hoe Charlie Hebdo ao Paris ka may ravan'ny afo. Ny andro namoahan'ilay gazety Frantsay mpiseho isan-kerinandro an'ilay kisarisary maka endrik'ilay mpaminany antsoina hoe Muhammad ho toy ny 'mpamoaka lahatsoratra nantsoina hivahiny' araka ny hita eo amin'ny fonony dia efa saika nikatona avokoa ny mpivaro-boky rehetra, ary tao anatin'ny iray andro avokoa no nitrangan'izany.
Iran: Mpamaham-bolongana Islamika Nogadraina Mitokona Tsy Hihinan-kanina Ao Am-ponja
Hatramin'izay 33 taona nisian'ny Revolisiona Islamika izay, karazana paradisa ho an'ny mpitondra fivavahana Islamika i Iran, izay nahazo ny fahefana sy mitondra ny firenena. Saingy tsy izy rehetra. Mohammad Sadegh (Arash)...
Nizeria2011: Taonan'ireo Fandresena Bitika Sy Ireo Sedra Goavana
Voarakitra anatin'ny tantaran'i Nizeria ny taona 2011 amin'ny maha-taonan'ny fifidianana filoham-pirenena fahatelon'io fanjakana io izany taona izany taorian'ny nahazoany ny fahaleovan-tena. Ho an'ny tapany voalohan'ny taona, hipoky ny resadresaka momba ny fifidianana ny tontolon'ny bilaogy: hetsi-panoherana, fampielezam-kevitra, fifanakalozan-kevitra, ny anjara toeran'ny teknolojia, fanomanana ireo fandatsaham-bato, ary ny andron'ny fifidianana.
Kenià/Somalia: Ady Ao Amin'ny Twitter Ifanandrinan'ny Tafika Keniana Sy Ny Al Shabaab
Nivadika ady tao amin'ny Twitter ny fanafihan'ny miaramila Keniana tao Somalia ireo vondrona mpitolona Al Shabaab antsoina hoe “Tetikady Linda Nchi” “Operation Linda Nchi” (Swahili “Tetikady ho Fiarovana ny Firenena”). Tonga izany ady izany...
Iran: Bilaogera Mety Hiatrika Famonoana ho Faty Fa Manevateva Ny Islamo
Voampanga ho "manivaiva ny Mpaminanin'ny Islamo" sy "Fahavalon'Andriamanitra" na "Miantsy ady amin'Andriamanitra", fiampangana izay mety hitarika amin'ny fanamelohana ho faty any Iran, ny mpamaham-bolongana Iraniana 50 taona iray
Zeorzia: Fodian'ireo Tiorka Meskhetian
Silamo maherin'ny 100.000 no nailik'i Joseph Stalin tamin'ny 1944 avy ao amin'ny faritra Meskheti ao Zeorzia. Ankehitriny, 60 taona mahery aty aoriana, manomboka miverina tsikelikely ny sasany ao anatin'ny andraikitry ny firenena manolona ny Folankevitr'i Eraopa.