Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Avrily, 2012
Iran: Alika Fitaiza Notazonin'ny Mpitandro Filaminana Indray
Ny Fikambanana Iraniana Manohitra ny Fanaovana Herisetra amin'ny Biby dia mitatitra [fa] fa alika manodidina ny 20 teo tamin'ny herinandro lasa no nosamborina tao amin'ny kianjan'i Pardisan rehefa nentin'ny tompony mba niasa dia teny
Lahatsary: Fampahafantarana Ny Atao Hoe Islamo Ho An'ny Fikambanana Mpanao Asa Soa
Miompana amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny tsy fahampian'ny fahafantarana ny atao hoe Islamo sy ny fomba fandraisan'ny fikambanana momba ny asa soa sy ny fampandrosoana ny atao hoe fiarahamonina Miozolomana...
Espaina: Dihy Nandritra Ny Procession Kristy Nitsanga-ko Velona Nanjakan'ilay Hira Breziliana Malaza
Tratran'ny Telomania teo ampandihizana nandritra ny hira malaza iraisampirenen'i Michel Teló mitondra ny lohateny hoe "Ai Se Eu Te Pego" ny frera nitondra ny sarin'i Kristy Nitsanga-ko velona nandritra ny procession mamarana ny herinandron'ny Paska Kristianina tao Alhama de Murcia, Espaina.
Gresy: Navoaka Ilay Pretra Voarohirohy Amin'ny Raharahan-tany
Fihetseham-po samihafa no hita teo amin'ireo mpiserasera Grika raha nandre fa noafahana ny pretra Ephraim rehefa nigadra efa-bolana monja , lehiben-drelijiozy ao amin'ny monasteran'i Vatopedi ao an-tampon'ny Athos ao Gresy izy, izay voarohirohy tamin'ny raharaha fifanakaloza-tany teo amin'ny Vatopedi sy ny fanjakana, . Niteraka fandaniana an-tapitrisany euro ho an'ny governemanta izany raharaha manafintohina izany.
Isiraely: Mitsiky Sy Misioka Ny Sedera Paska Jiosy
Nanomboka ny alin'ny zoma 6 avrily teo ny fety jiosy Fandalovana [fr](paska) ary mifamotoana amin'ny fianakaviany avy ny Isiraelianina an-tapitrisany hanatrika ny sedera [fr], fomba nentin-drazana fiaraha-misakafo. Mialoha ny fisakafoanana ny famakiana...
Libanona: Fankalazàna Ny Alahadin'ny Sampandrofia Sy Ny Paska
Fankalazana fety kristianina roa no notontosaina ny 8 avrily 2012 tany Libanona fa nankalaza ny Alahadin'ny Paska ny fiangonana manaraka ny fanisanandro Gregorianina raha mbola mankalaza ny Alahadin'ny Sampandrofia (Sampakazo) kosa ny fiangonana manaraka ny fanisanandro julien.