· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Avrily, 2018

Nanamaloka ny andro iraisampirenena ho an'ny zon'ny vehivavy tao Jamaika ny nampihenana ny sazin'ilay pasitera voaheloka ho nanao firaisana ara-nofo tamin'ny zaza tsy ampy taona

Naneho ny tsy fankasitrahany izay heveriny fa sazy maivana ireo mpisera aterineto, ambany lavitra amin'ny 15 taona ambony indrindra amin'ny tranga toy izany ny sazy. Ny fampihenan-tsazy dia avy tamin'ny fanapahan-kevitra navoakan'ny minisiteran'ny fitsarana, mba hanafainganana ny fitsaràna eo amin'ny tribonaly, dia manome sazy fohifohy kokoa amin'ireo izay miaiky heloka.

30 Avrily 2018

Fanentanan'ireo Vehivavy Iraniana Mitaky Fanovàna Ireo Lalàna Manavakavaka

''Manohy ny tolona ataon'izy ireo hisian'ny fitoviana zo, mihoatra lavitra ireo sakana ataon'ny fanjakana, ireo vehivavy Iraniana. Andro vitsivitsy lasa izay, nanomboka hetsika iray hanoherana ny fanavakavahana ny vondrona iray ahitàna vehivavy Iraniana mpikatroka tsy nitandro hasasarana, nampitondraina ny lohateny hoe ''Sonia Iray Tapitrisa Itakiana Fanovàna Ireo Lalàna Manavakavaka.''

27 Avrily 2018

Palestina: Trano Maintso Lavitry Ny Tanindrazana

Ao amin'ity lahatsoratra ity, handre ny tantaran'ireo vehivavy roa manana fitiavana lehibe ny voajanahary isika. Masera iray nahita ny akaniny tao amin'ny zaridainan'ny tranon-drelijiosy ary renim-pianakaviana iray ao an-tanàndehibe izay nitondra ny nofinofiny momba ny zaridainan-tanàna eo an-davaragan'ny efitranony.

14 Avrily 2018