Jery (An-Tsary) Ireo Vakok'i Syria Sasantsasany Potika

Manda Ankavoanan'i Aleppo tamin'ny taona 2008. Sary avy amin'ny fahatsaram-pon'i Jean-Baptiste Rabouan/Hemis.fr

Norandranin'ny fianakaviana niampita taonarivo ny tantaran'i Syria. Notondroina ho faritany romana teo ambany fifehezan'i Pompey Lehibe tamin'ny taona 64 talohan'i Kristy, ary teo ambany zioga Ottoman tamin'ny fanjakan'i Sultan Selim I taonjato 16 taty aoriana, tamin'ny taona 1516, nizaka ny fanitaram-panjakan'ny goavan'izao tontolo izao ny firenena. Namela vakoka ara-maritrano sy ara-kolontsaina isan-karazany izay tafiditra tsikelikely tao amin'ny vakoky ny firenena ireo ampira nifaninana ny hanjaka eo amin'ny faritra. Zo azo hatramin'ny nahaterahana ho an'ny Syriana izany mitsapa ny tsiron'ny zavamanitra ao amin'ny Souqs ao  Aleppo, na mitazana ny vatosoa dia ny teathra romana ao Bosra.

Efa fanta-daza amin'ny tantarany mahavalalanina ireo toerana manan-tantara ao Syria. Saingy mety tsy hahazo izany fitantarana fanao efa hatry ny ela izany ny Syriana rahatrizay, sy izao tontolo izao amin'ny ankapobeny tamin'ny fanapotehana azy ireo nandritra ny ady an-trano maharitra enin-taona sy nahafatesana olona mihoatra ny 400.000 ary namindra olona mihoatra ny atsasaky ny mponina ao Syria.

Souqs ao Aleppo

Ny Tanàna Fahagolan'i Aleppo, izay tafiditra ao anatin'ny Vakoka Manerantanin'ny UNESCO tamin'ny taona 1986, teo amin'ny tantara dia foibem-barotra ihaonan'ny lalana avy any Andrefana sy Atsinanana, tsara toerana anelanelan'ny ranomasina mediteranea sy Mezôpôtamia. Ny fiavahany eo amin'ny tantara dia noho ny toerany mamarana ny iray amin'ny Lalan'ny Lasoà.

Iray amin'ny tanàna fahagola indrindra nonenan'ny olona hatramin'izay, efa niaina ny sasantsasany amin'ny ady mampihoron-koditra indrindra ity tanàna ity.

Manoloana ny fianjeran'ny faritra atsinanan'ny tanàna tamin'izany fotoana ho eo am-pelatanan'ny fitondran'i Assad sy ny mpiara-dia taminy tamin'ny volana Desambra, nilaza ny tolony hanisa ny maty isan'andro ny mpikatroka tao an-toerana.

Araka ny Ivontoeran'ny Firenena Mikambana Momba ny Fanazarana sy ny Fikarohana (UNITAR), dia toeram-bakoka mitotaly 22 ao amin'ny tanàna no potika ary 48 no nahasimbana be dia be tamin'ny taona 2013.

Ao anatin'ny korataban'ny Al-Madina Souq no hahitanao ireo karazandokon'ny entana nohafarana, manomboka amin'ny lasoà ka hatramin'ny zavamanitra, ary ireo vokatra avy ao an-toerana ahitana savony sy [lamba] volonondry, Ankoatra ny raharaham-barotra dia fitoeran'ny Khans (caravanserais) ihany koa ny souq, izay mandray ny mpivarotra sy ny entana amidiny.

Sary indray mipika ny souq tamin'ny taona 2011 via Flickr. (CC BY 2.0)

Sary indray mipika ny Souq tamin'ny taona 2012. Loharanon-tsary: AMC, nahazoana alalana.

Tamin'ny faramparan'ny taona 2012, nisy fifanandrinana mamaivay teo amin'ny fitondrana sy ny Tafika Syriana Afaka (FSA) tao anatiny sy manodidina ny Souq. Nanafika ny toerana manantantara tamin'ny balantafondro ny fitondrana, dia navelany ho may tao io.

Rehefa nanombana ny fahapotehana ny tao amin'ny UNITAR dia nahita fa potika tanteraka ny ankamaroan'ny tranombarotra, fa nisy Aleppine iray be fanantenana naneho hevitra tao amin'ny The Telegraph tamin'ny taona 2012 nanao hoe:

It is very bad and very sad..But we can rebuild it, after the revolution is over.

Tena ratsy sady tena nampalahelo. Saingy afa-manorina azy indray isika, rehefa tapitra ny revolisiona.

Ny Manda Ankavoanan'i Aleppo

Nopihan'ny mpitsangatsangana iray tamin'ny taona 2010, via Wikimedia.

Mandalapa niorina nandritra ny Vanimpotoana Antenantenany eo efovoan'ny tanàna tranainy ny Manda Ankavoanan'i Aleppo ary heverina ho iray amin'reo lehibe indrindra sy antitra indrindra amin'ny karazany eto ambonin'ny tany. Ity tsangambato vita amin'ny vatosokay ity dia efa teo ambany fifehezan'ny Byzantines, Grika, Ayyubids, Ottomans, ary ireo hafa, ary ireo nambabo azy ireo dia samy namela marika teo amin'ny maritranony sy ny manodidina azy avokoa.

Tsy mitsahatry ny nodarohan‘ny fitondran'i Assad baomba ity manda ankavoana ity nanomboka tamin'ny taona 2012 ary fipoahana baomba tamin'ny Jolay 2015 no niteraka ny faharavan'ny rindriny.

Nifanome tsiny tamin'izany fipoahana izany ny Fitondrana Syriana s ireo vondrona mpioko.

Dikasary avy amin'ny Fikambanana mpiaro ny Arkeolojia Syriana tamin'ny datin'ny 3 Oktobra 2014. Ny sary dia niaraka tamin'ny fanazavana an-tsoratra toy izay manaraka izao: Sary maro navoakan'ny mpakasary iray tao amin'ny televiziona Syriana tao Aleppo mampiseho ny toeran'ny “sniper” na mpitifitra mahay tao anatin'ny manda ankavoanan'i Aleppo, izay lasa toby miaramilan'ny tafiky ny fitondrana Assad. Nahatonga ny toerana manandanja ho tandindonin-dozan'ny tifitry ny mpioko izany fametrahana mpitifitra mahay izany. Nasehon'ny sary fa nahasimbana ny tilikambo iray amin'ny manda ary nirodana. Nizaka fahasimbana ny manoloana sy ny endrika ara-maritranon'ny manda ankavoana toy ny tilikambo. Loharano: Facebook.

Ny Moskea Kanton'i Aleppo (Umayyad Mosque)

Nanoratra i Ibn al-Shihna mpahay tantaran'i Aleppo tamin'ny taonjato faha-15: “Nifaninana tamin'ny an'i Damaskosy teo amin'ny fandravahana, loko ary ny môzaika ny Moskea Kanton'i Aleppo.”

Ny Moskea Kanton'i Aleppo, izay fantatra amin'ny anarana hafa hoe Umayyad Mosque, dia manana ny minaret [tilikambo] mahatalanjona naorina tamin'ny taona 1090 ary efa saiky naharitra 1000 taona – potika tamin'ny taona 2013 izany.

Jery akaiky amin'ny tokotany mahasondriana tamin'ny taona 2009, via Flickr.

Manana fitovitovizana amin'ny moskea miorina ao Damaskosy, toy ny tokotany nosaronana vato marbra sy ny fanorenana azy ao anatin'ny faritra Romana/Byzantina ny moskea Umayyad.

Nikendry hatrany ity moskea ity ao anatin'ny ady hifehezana ny tanàna izay namaivay taorian'ny nahazoan'ny mpikomy azy tamin'ny taona 2012 ny fitondrana Syriana, tohanan'ny mpiara-dia Rosiana sy Iraniana.

Syria: ny Moskea Umayyyad ao Aleppo dia iray amin'ireo moskea tranainy indrindra ao an-tanàna, efa tamin'ny taonjato fahavalo, potika nandritra ny fifandonana.

Nahatsiahy ny vavolombelona iray, mpiadin'ny mpikomy:

We were standing here today and suddenly shells started hitting the minaret. [The army] then tried to storm the mosque but we pushed them back.

Nijoro teo izahay ary tampoka teo, nanomboka nahavoa ny tilikambo (minaret) ny daroka baomba. Niezaka nanakorontana ny moskea ny tafika saingy voatosikay ry zareo.

Araka ny fanombanana nataon'ny UNITAR, niatrika fahasimbana lalina ny moskea eo amin'ny rindrina ivelany atsinanana, ny ilany atsimo amin'ny lavarangana atsinanana, ny tokotany voarakotra marbra, ny zaridaina, ary ny fidirana mankao amin'ny souq avy amin'ny lavarangana atsinanana.

Hoy i Helga Seeden, profesoran'ny arkeolojia ao amin'ny Oniversite Amerikana ao Beirota, tamin'ny Associated Press:

This is like blowing up the Taj Mahal or destroying the Acropolis in Athens. This mosque is a living sanctuary. This is a disaster. In terms of heritage, this is the worst I've seen in Syria. I'm horrified.

Tahaka ny hoe mandrava ny Taj Mahal izany na mamotika ny Acropolis ao Athena. Toerana masina velona ity moskea ity. Voina lehibe izao. Eo amin'ny lafiny maha-vakoka azy indray dia ity no toejavatra mampahonena indrindra hitako tao Syria. Mihoronkoditra aho.

Sarin'ny Moskea nopihan'olon-tsotra tia mampita sary an-gazety manana ny anarana ‘Lens of a Young Aleppine’ tamin'ny datin'ny 22 Oktobra 2012. Source: Facebook.

Moskea Alomari, Daraa

Voahosotra ho famantaran'ny revolisiona, ny moskean'i Daraa dia naorin'ny Kalifa Islamika Omar ibn al-Khattab tamin'ny taonjato fahafito. Ny tilikambony (minaret) mahatalanjona teo aminy, izay efa potika ankehitriny, no minaret voalohany indrindra manerana ny Levant (Atsinanana-Fifohazana).

Ity moskea manatantara ity no nifantohan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana ao Daraa sady nampiantrano hetsi-panoherana maro izay nisedra ny setrasetran'ny herim-piarovan'ny governemanta.

Noho izay antony izay indrindra no nahatonga ny fitondrana nidaroka baomba hatrany ny moskea, nandrava ny tilikambony (minaret), ao anatin'ny fiezahana hamotika ny kirin'ny mpanohitra.

Tamin'ny volana jona ny angidimbin'ny fitondrana Syriana no nandatsaka baombam-barika efatra nasiana ranoka mandoro tamin'ny moskea, nandoro ny ilany avaratra ao aminy.

Dikasarin'ny pejy mitondra ny lohateny hoe ‘Vakoka Arkeolojika Syriana Tandindonin-Doza’ tamin'ny datin'ny 24 avrily 2013. Source: Facebook.

Bosra

Ao an-tokotanin'ity tanàna manantantara manankarena ao amin'ny tanàna ao atsimo ity no miorina ny teathra Romana niorina tamin'ny taonjato faharoa, ireo moskea islamika tranainy indrindra mbola tavela ary fanorenana kristiana rava ihany koa. Ny tanàna fahagolan'i Bosra, voasoratra ho Vakoka Manerantany UNESCO tamin'ny taona 1980 ary nampidirina lisitra ao amin'ny Vakoka Manerantany Tandindonin-Doza tamin'ny taona 2013, dia efa renivohitry ny faritanin'i Arabia Romana sady toeram-piatoan'ny valalamanjohy mizotra ho any Lameka.

Teathra Romana ao Bosra nopihana tamin'ny taona 2011, via Wikimedia.

Nodarohan'ny angidimbin'ny fitondrana tamin'ny taona 2015 baomba ity toerana ara-kolontsaina manandanja ity, ka niteraka fahasimbana goavana tamin'ilay manda an-kavoana tranainy.

Sary avy amin'ny sampam-baovao SMART mampiseho fahasimbana be amin'ny andrin-trano anatin'ny mandalapa. Source: Facebook.

Crac des Chevaliers

Ilay mandalapan'ny vanim-potoana antenantenany ahatazanana ny endriky ny manodidina. Creative commons

Crac des Chevaliers, midika hoe ‘Mandalapan'ny Mpitantsabatra [Mpitaingi-tsoavaly]’, dia mandalapan'ny mpanao kroazady ao amin'ny faritanin'i Homs ao Syria. Toerana iray hafa Vakoka Manerantanin'i UNESCO, ity no noheverina ho iray amin'ny mandalapan'ny vanimpotoana antenantenany eto ambonin'ny tany voatsimbina indrindra. Naorin'ny Holafitry ny Masindahy Joanin'i Jerosalema nanomboka ny taona 1142 ka hatramin'ny taona 1271 ity mandalapa ity ary nasian'ny “Mamelòka” fanitarana nandritra ny faramparan'ny taonjato faha-13.

Niaritra fahasimbana goavana ny mandalapa, indrindra fa ao amin'ny Lasapelin'ny Kroazady, noho ny daroka tafondro sy ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny fitondrana Syriana.

Palmyra

Ilay Lohalambon'ny fandresena 2000 taona ao Palmyra talohan'ny nandravan'ny ISIS azy. Loharano: Pixabay.

Ity tanàna semita fahagolan'i Palmyra ity dia nanangon-karena nandritra ny Ampira Romana noho ireo mpivarotra izay niasa nanerana ny Lalan'ny Lasoà. Izany harena izany no nanamora ny fananganana ireo fotodrafitrasa mirentirenty ahitana ny Tempolin'i Bel, Tilikambon'i Elahbel, ary ny Lohalambon'ny Fandresena. Indrisy moa fa niaritra fahasimbana, eny fa hatramin'ny faharavana aza ireo fotodrafitrasa telo ireo.

Hatramin'ny nahazoan'ny ISIS ny toerana dia nopotehin-dry zareo ny tsangambato sy tempoly maro dia maro tao aminy.

Nandrava fotodrafitrasa fahagola maro tahaka ity iray tao amin'ny tanànan'i Palmyra ity ny ISIS. Vakio bebe kokoa ao amin'ny https://t.co/B5jNUIbsVI

Lasa mampahatsiahy embona fisaonana ilay vakoka manankarena voahilika ankehitriny i Palmyra, tanàna izay nahazo ny fon'ny mpahay tantara sy arkeôlôgy.

Moskea Khalid ibn al-Walid

Ilay moskea marevaka tamin'ny taona 2005, via Wikimedia.

Ny Moskea Khalid ibn al-Walid ao Homs dia nandray anarana avy amin'ilay komandy miaramila Arabo miozolomana tamin'ny taonjato fahafito izay nandrombahan'ny Miozolomana an'i Syria ka namarana hatreo ny fanjakana Byzantina tao amin'ny firenena. Notokanana tamin'ny taona 1908 ny moskea izay miavaka amin'ny endrika maritrano nentim-paharazana Ottoman-Tiorka.

Tamin'ny taona 2013, nidaroka ity moskea manatantara ity ny miaramilan'i Assad, ka nandrava ny mausolée ao aminy. Lasa voadaroka hatrany ilay moska nanomboka tamin'izany fotoana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.