Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Mey, 2011

21 Mey 2011

Bolgaria: Fifandonan'ny Vondrona Avy Amin'ny Elatra Havanana sy Silamo Tao Sofia

Ruslan Trad mitatitra fa fifandonana mahery vaika no nisy teo amin'ireo mpomba ny antoko nasionalista Ataka (Fanafihana) sy ny Silamo tao an-toerana tao amin'ny maosken'i Bania Basha tao Sofia renivohitr'i Bolgaria, nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ireo nasionalista manohitra ny fanamafisam-peo avy amin'ilay maoske.

Indonezia: Fanehoan-kevitry ny Bilaogy manoloana ny fahafatesan'i Bin Laden

Niely haingana toy ny afo mandoro ny vaovao mikasika fahafatesan’ ilay “mpanjakan'ny fampihorohoroana” Osama Bin Laden. Saingy tsy noraisina tamin-karavoana lehibe ny fahafatesan'i Bin Laden tao Indonezia, firenena be Miozolomana indrindra.  Nampatsiahy ny vahoaka ny solontenan'ny governemanta fa fandresena ho an'i Etazonia ny fahafatesany, fa tsy ho an'i Indonezia. Hita fa...

11 Mey 2011

Irana: Voasambotra ny “mpanala devolin'i Ahmadinejad”

Voasambotra ny olona 25 mpiara-miasa akaiky sy mpanohana ny Filohan'i Irana Mahmoud Ahmadinejad sy ny Lehiben'ny Etamazaoro Esfandyar Rahim Mashai, ary araka ny voalaza dia anisan'izany ny "mpanala devoly" na "mpisambotra djinn" Abbas Ghaffari. Maro no maminavina fa noho ny fifamaliana teo amin'i Ahmadinejad sy ny filoha ambonin'ny Repoblika Silamo...

Iran: Misambotra Alika (indray)

Niverina eny an-dalambe ny mpitandro ny filaminana Iraniana mba hanohy indray  ny fihetsika manala-baraka tamin'ny taona 2007: Fisamborana alika. Naharitra fotoana fohy ihany ny fisamborana alika farany teo, ary noafahana haingana avy eo ireo alika ireo. Ankehitriny, araka ny voalazan'ny gazety Iraniana, alika maromaro no nalaina ankeriny ary nafindra ”...

05 Mey 2011

Iran: Naneho hevitra tamin'ny fahafatesan'i Bin Laden ny bilaogera

Bilaogera Iraniana maromaro no naneho ny heviny tamin'ny fahafatesan'i Osama Bin Laden. Ny sasany miaraka amin'ny fanamarihana matotra, ny vitsy miaraka amin'ny fanontaniana ary ny hafa miaraka amin'ny fanesoana. Bilaogera Iraniana Hesab nanontany fa nahoana no notifirina teo amin'ny lohany izy? Mohmmad Moini nanoratra fa manamarika fotokevitra i Bin Laden,...

03 Mey 2011

Tontolo Arabo: Misy ny misaona an'i Osama bin Laden

Maro ny mpisera Twitter manerana ny tontolo arabo no manome voninahitra sy fahatsiarovana noho ny fahafatesan'ilay Saodiana lehiben'ny Al Qaeda. Indreto misy siokantsera avy any Bahrain sy Koety, milaza fa mety hoe maty i Bin Laden saingy mbola velona kosa ny fotokeviny.

02 Mey 2011

Iran: Misara-tsaina noho ny fifanolanan'i Ahmadinejad sy i Khamenei ny bilaogera Islamista

Tarataratry ny mpamaham-bolongana Islamista fa vita hatreo ny volan-tantely eo amin'ny filohan'i Iran Mahmoud Ahmadinejad sy ny mpitarika ny Repoblika Islamika Ayatollah Ali Khamenei. Misy ny manohitra an'i Ahmadinejad ary manohana ny Mpitarika Faratampony ary ny hafa kosa tsy miova amin'ny fanohanana an'i Ahmadinejad.