Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Aogositra, 2011

29 Aogositra 2011

Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy

Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra 2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty tao San Jose renivohitra nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny...

28 Aogositra 2011

Pakistan: Mpitoriteny Islamika an-TV Tratran'ny Lahatsary Miafina

Ilay lahatsary nalaina niafina nanoritsoritra an'i Dr. Amir, izay heverina ho olona ambony mpivavaka manam-pahaizana, lehilahy be fanetre-tena, tia fananarana, no hita mandrisika amin'ny fanararaotana sy izao karazana fitenenan-dratsy izao ary ny faniratsirana ny fivavahana

22 Aogositra 2011

Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”

Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga....

17 Aogositra 2011

Pakistan: Mankalaza ny Fetin'ny Fahaleovantena

14 Aogositra ny Andron'ny Fahaleovantenan'i Pakistan, izay manamarika ny daty nialàna tamin'ny fanjanahana Britanika ary nahatonga azy ho firenena afaka. Amin'ity taona ity, nankalazaina tamin'ny firavoravoana be ny 14 Aogositra, tsy teny an-dalana ihany fa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa. Bilaogera mahafatrapo nandefa lahatsoratra momba an'i Pakistan, mivavaka ho...

08 Aogositra 2011

Fomba Fanaovan-tsakafo Amin'ny Ramadany : Fety Be Aorian'ny Fifadian-kanina

Satria manomboka ny volan'ny Ramadany, dia nanomboka nizara lisitra bilaogy ahitaàna rohy mankaminà fomba Iftar mahafinaritra vitsivitsy i Maria Grabowski. Miangavy anao hizara aminay izay tena ankafizinao koa!

02 Aogositra 2011

Pero: Fangalàrana Zava-Masina Tao Motupe

Ny Talata 5 Jolay 2011, vaovao ratsy nahataitra no nifohazan'ireo Peroviana : nisy nangalatra ilay Hazo Fijaliana Masin'i Motupe [es] izay tena malaza be sy fanta-bahoaka tokoa. Maneho hevitra mikasika izany ao amin'ny Twitter ireo mponin'i aterineto amin'ny fampiasàna ny tenifototra #cruzdemotupe, ary any anaty bilaogin-dry zareo.