Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Janoary, 2016
Rosiana Pastafariana Voalohany Manana Ny Fahazoandàlana Mamily Fiara Miaraka Amin'ny Sary Misatroka Fitantavànana

Malaza ny Pastafariana Rosiana : voalohany izao, mpikambana ao amin'ilay antokom-pinoana no nahavita nametraka ny sariny misatroka fitantavànana paty—satroka tsy maintsy anaovan'ny Pastafariana— amin'ny taratasy fahazoandàlany mamily fiara.
Ela Ny Ela, Nahanton'ny Facebook Ilay Pejy ‘Pegida Macedonia’ Mpankahàla Miozolmàna

Na teo aza ireo tatitra marobe, imbetsaka nilaza ny Facebook hoe tsy nanitsakitsaka ny Fenitry ny Vondrom-piarahamoniny ilay pejy.
Aza Mampihomehy Milaza An'i Obama Ho Manana “Fototra Shiita” Eo Ry Lefitry Ny Lehiben'ny Polisin'i Dubai a!
Ny fisainan'ny Lehibe Lefitry ny Polisy ao Dubai dia hoe vita ny fifanarahana tamin'i Ira satria manana fototra Shiita i Obama. Namaly izany tao amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra ny Arabo sy ny Iraniana.
Tsy Adin'ny Sionita Sy Ny Shiita Ny Fifandonana Ao Afovoany-Atsinanana, Ary Tsy Efa An'Arivo Taona Tany Aloha Akory
"Voazarazara ho sekta ve ilay faritra? Eny. Tena misy ve ny fahasamihafàna? Eny. Vokatry ny fifandirana ara-teolojia fahagola ve ny ady ankehitriny? Tsia," hoy i Iyad El-Baghdadi mibitsika momba ilay antsoina hoe hantsana eo amin'ny Sionita sy ny Shiita.
Tsy Ny Disadisa Siriana No Hakàn'izy Ireo Amiko Ny Noeliko

Ao anaty firenena iray anjakan'ny ady dia sady fihetsika tena tsy misy fahamatorana no fanoherana mahery vaika ny fankalazàna Noely.
Mamàka Ao Gambia Ireo Mariky Ny Lalàna Silamo
iny taona lasa iny, nilaza ny filohampirenena Yahya Jammeh fa ho fanjakana Silamo ny fireneny, . Inona ireo fiovàna ho entin'ny taona 2016?
Taorian'ny Famonoana Nanjo Ny Zanany Lahy, Mampianatra Ny Lanjan'ny Firaisankina An'ireo Tanora Ny Renimpianakaviana Iray Metisy Frantsay-Maraokàna
Miresaka momba ilay namono an-janany lahy amin'ireo Frantsay mpianatra i Latifa Ibn Ziaten. Ary ny antony tsy tokony hanarahan-dry zareo ny diany.