Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Novambra, 2011

28 Novambra 2011

Qatar : Mizarazara Be Ny Hevitra Mikasika Ny Fivarotana Sakafo Misy Kisoa

Niely be ny vaovao tao Qatar fa azo vidiana ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ny sakafo misy kisoa, na dia avy amin'ny orinasa mpanijara toka " Qatar Distribution Company" irery ihany aza, ary ho an'ireo manana fanomezan-dalàna hivarotra zava-pisotro misy alikaola irery ihany. Fanadihadian'i Omar Chatriwala.

19 Novambra 2011

Ejipta : Fahatsiarovana Ny Faha 40 Taonan'i Papa Shenouda Tao Amin'ny Twitter

Ireo Coptes Ejiptiana, ankoatry ny hafa, dia nanapa-kevitra nby hanakiana ny Papa Shenouda III, tamin'ny fankalazàna ny faha-40 taona nanosorana azy. Ilay fankalazàna dia nifanandrify indrindra tamin'ny famaranana ny 40 andro fisaonana taorian'ny vono olona tao Maspero, izay nahafatesana Ejitiana 27, ny ankabeazan'ireo maty dia Kristiana "Copte" avokoa.

08 Novambra 2011

Bangladesh: Ny fodiana amin'ny fotoana fankalazana ny Eid

Ny Eid dia fetim-pinoana lehibe indrindra ankalazain'ny ankamaroan'ny Silamo ao amin'ny firenena Bangladesh, ary ny tena fototra amin'io fankalazana io dia ny fiverenana any amin'ny taninao ka miaraka mankalaza izany miaraka amin'ny fianakaviana izay mipetraka an-tany lavitra. I Bijoy dia mitantara ny fiainan'ny mponina ao Bangla eo amin'ny resaka ady,...

05 Novambra 2011

Tonizia: Niverina Tao Amin'ny Facebook Hitsikera ny Islamista ny Mpiserasera

Nanjary lohahevitra mafana ny resaka mikasika ny herin'ny hetsika Islamika hatramin'ny nanombohan'ny Lohataona Arabo tao Tonizia ny volana desambra farany teo. Niteraka adihevitra marobe ihany koa ny Salafista tao anatin'izay volana vitsivitsy taorian'ny revolisiona Tonizia izay. Araka ny tati-baovao, nanafika ny iray tamin'ireo toeram-pilalaovana sarimihetsika izy ireo noho ny fampisehoana sarimihetsika...

04 Novambra 2011

Ejipta: Tokony Hisarom-boaly Koa Ny Lehilahy!

Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Vondrona Facebook iray mandrisika ny lehilahy hitafy Hijab na voaly, ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy no vao avy nandom-baravarana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny fandraisan'andraikitr'ireo Ejiptiana sy...

02 Novambra 2011

Egypt: Nosaronan'ny Salafista Ny Sarivongana Zazavavindrano Ao Alexandria

Nosaronan'ny Salafista ny sarivongana zazavavindrano iray tao Alexandria, Ejipta, izay nahatonga tsikera sy filazana fahadalana avy amin'ny mpisera. Notaterin'ny mpisiokantsera fa nosaronan'ny Antoko Salafista Al Noor, izay nanao fivoriana teo akaiky teo, ilay sarivongana. Manazava i Farah Saafan: @FarahSaafan: Salafis had a meeting close to a mermaid statue in Alexandria.. Ended...