Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2015

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Oktobra, 2015

30 Oktobra 2015

Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe

Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.

26 Oktobra 2015

Mahatonga fanontaniana maro ao Bangladesh ny fanafihana tamin'ny baomba ny fivorian'ny Shiita tao Dhaka

Voatatitra fa nilaza tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny baomba tao Hussaini Dalan, izay nahafatesana olona iray sy naharatrana olona maherin'ny enimpolo ny Fanjakana Islamika.

24 Oktobra 2015

Nitsipaka Ny Didim-pitsarana Voalohany, Namonjy Vehivavy Nijangajanga Voaheloka Hotoraham-bato Ny Fitsarana Tampony

Nandray fepetra haingana ny Fitsarana Tampony ao Maldives mba hitsipaka ny didim-pitsarana hamono ho faty vehivavy iray noho ny fijangajangana.

21 Oktobra 2015

Namono Olona Dimy Tao Amin'ny Moske Shiita Ao Arabia Saodita Ny Lehilahy Mitam-piadian'ny ISIS

Nanafika moske tao Saihat, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita tamin'ny alin'ny Zoma 16 Oktobra ny lehilahy mitam-piadiana ISIS, nahafaty olona dimy sy nandratra olona sivy izy alohan'ny nahafatesany voatifitry ny polisy.

14 Oktobra 2015

“Mandrahona” Hivadika Silamo Ny Tanàna Kely Ortodoksa Serba Ahafahana Manavao Ny Fiangonana Ao An-toerana

Nandrahona "hivadika Silamo daholo" ny mponina ao Šopić, tanàna kely ao ivelan'i Belgrade ihany raha tsy avaozin'ny paroasy amin'ny Oktobra 2015 ny fiangonana Ortodoksa ravan'izy ireo.

12 Oktobra 2015

Hampiaka-danja ny vola zambiana ve ny vavaka? Mino izany ny Filoha Lungu

"Midika tsy fahaizanao toekarena ny mivavaka hahazoan'ny vola lanja. Tsy asan-devoly ny fihenan-danjan'ny vola kwacha."

06 Oktobra 2015

Lehilahy Haindò Maty Novonoina Fa Nihinana Henan'omby

"Manankarena amin'ny fanondranana hena ny sasany, ny sasany kosa maty noho ny fihinanana azy? Ny fandrarana sy ny nasionalisma tafahoatra no mahatonga izany."

01 Oktobra 2015

Ndeha Hihaona Amin'ilay Pretra Ortodoksa Ao Venezoela Miangaly Rock Anaty Rebarebany

Tsy kintan'ny Rock ankafizinao mahazatra akory ny Papa Elias, milalao anaty akanjon'ny pretra. Tsy izy koa anefa no andrandrain'ny maro ho pretra fakàn-tàhaka.