Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Jolay, 2013
Brunei : Fandraràna Ny Tsy Miozolomana Hisakafo Andro Mazava Amina Hotely Miozolomana
Mihatra amin'ireo vahiny sy mpizaha-tany mandritra ny volana masina Ramadana ny fitsipika vaovao izay nahasanganehana ny maro.
VIDEO: Mpanolotra TV Pakistaney Manolotra Zaza Roa ho Valisoa Mandritra Ny Seho Ramadany
Ny fanaovana ny zazakely ho fanomezana ve no hirika hitadiavana laharana ambony, tahaka ny nataon'ilay Televangelisitra Dr. Amir L. Hussain nanolotra zaza roa ho fanomezana nandritra ny volana Ramadany?
Nanakatsakana ny Parady Voalohany ao Montenegro Ny Mpankahala Pelaka
Tokotokony ho 500 ny olona nandalovan'ny diabem-pireharehana no miezaka ny hampitsahatra ilay hetsika manatantara, araka ny nolazain'ny polisy.
Notsipahin'ny «E-Kristianina» Ilay Ambasadera Amerikana Vaovao Ho An'i Espaina Satria Pelaka
Nivoaka ny anaran'ny ambasadera Amerikana ao Espaina: James Costos. Toetra sy endrika telo no ahafantarana ity ambasadera vaovao, manana diplaoma momba ny siansa politika ity: tompon'andraikitra ambony ao amin'ny orinasa...
Al Jazeera Voampanga Ho Mitati-Baovao “Mitongilana” Ao Ejipta
Nifantohan'ny maso ny Al Jazeera tao Ejipta amin'izay lazain'ny maro fa fitantarana "mitongilana" nataony nandritra sy taorian'ny fanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi tamin'ny 4 jolay. Voampanga ho nifamato-dra tamin'ny Mpirahalahy Miozolomana ka nanao ho mpitondrateniny ity fantsona miorina ao Qatar ity.
Tadjik Mpikambana Ao Amin'ny Parlemanta Mitsipaka Ny Mariazy Mifangaro “Indrindra Amin'ny Shinoa“
Tsy fandre matetika hoe lasa resabe nasionaly ny hevitry ny Solombavambahoaka malemy paika iray ao Tajikistan, kanefa vetivety dia latsaka am-bavan'ny maro ny anaran'i Saodat Amirshoeva, vehivavy iray mpikambana ao amin'ny Parlemanta (MP) izay manana hevitra mafonja maro mikasika ny mariazy mifangaro.
Reny sy Zanakavavy Pakistaney Notifirina Fa Nandihy Nandritra Ny Orana
Nisy reny sy ny zanany vavy mbola vatombatony roa notifirin'ny lehilahy dimy manao sarontava niditra tao an-tranony ho faty tao an-tanàna kelin'i Chilas any Gilgit, Pakistan; firenena izay lazaina fa voninahitra ny mamono.