Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Marsa, 2018

Kyrgyzstan: Horonantsary Nataon'ny Vondrom-piarahamonin'ny Niova Sy Mpitia Mitovy Fananahana Ho Valintenin'ny Tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana Mankahala Azy Ireo

Ny horonantsary eo amin'ny aterineto izay namboarin'ny vondron'ny nanova na mpitia mitovy fananahana Labrys ao Kyrgyzstan ho valin'ny tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana mankahala ny mpitia mitovy fananahana izay voajery mihoatra ny in-409 tao anatin'ny 15 ora avy nivoahany ary izao lasa nasiana feo faharoa sy dikanteny amin'ny Anglisy.

Ejypta: Milaza ny Tantarany Ireo Bilaogera Nogadraina

Bilaogera Ejiptiana 20 mahery teny an-dalana hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny vono olona Coptic no voasambotra raha tonga tao an-tanànan'i Naga Hammady ao Ejypta ny fiara-dalamby nandehanan'izy ireo. Noafahana izy ireo fotoana fohy taorian'izay ary milaza ny tantarany amintsika.

Japana: Tantaram-Pitiavana Sy Fankahalàna An'ilay Endrika Famantarana, “Sento-kun”

Tiako ho fantatra hoe tahaka ny ahoana ny fivezivezen'ny vola. Ny tiako ho lazaina dia ohatrinona amin'ny hetra aloan'ny mponina

Korea: Fifanenàn'ny Fombam-Pivavahana Tao Anaty Fiarandalamby Ambanin'ny Tany (Metro)

Fomba fijery maro no ateraky ny resaka fombam-pivavahana ho an'ireo mpisera amin'ny aterineto koreana. Nahasarika ny sain'ny olona maro tao amin'ny tranonkala koreana iray malaza ny traikefan'ilay olona iray sy ilay mpitondra fivavahana bodista tao anaty fiarandalamby.

Ny ‘Akoholahy Mivovo’ No Nampiasain'ny Governemanta Maleziana Ho Dokambarotra Hankalazana Ny Taonan'ny Alika Araka ny Shinoa

"Mila manana kolontsaina bebe kokoa na misokatra kokoa amin'ny fahatakarana ny kolontsain'ny hafa ity sampan-draharaha ity. Tena mahasanganehana tokoa izany ary asehon'ny departemantanareo ny tsy fahalalana."