Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Jolay, 2012
Pakistana: Ankizy 240.000 Tsy Nahazo Fanefitry Ny Lefakozatra
Tandindonin-doza ny fiainan'ireo zaza bodo 240.000 noho ny fandraràna,vao haingana, ny fidiran'ny fanefitry ny lefakozatra ataon'ny Taliban any amin'ny faritry ny FATA. Ireo mpikomy dia mihevitra fa hetsika fitsikilovana io fanentanana ho fanfefitry ny lefakozatra io, ary manohana azy ireo amin'izany ny filohan'ny foko.
Bangladesh: Lasa Renivohi-kolontsaina Islamika i Dhaka
Notokanana ho renivohi-kolontsaina Islamika ny renivohitr'i Bangladesh, Dhaka, miaraka amin'ireo tanàn-dehibe anankiroa hafa. Ny Fikambanana Islamika momba ny Fampianarana, ny Siantifika ary ny Kolontsaina (ISESCO), sy ny departemanta fanampiny an'ny Fikambanana Konferansa...
Ethiopia: Mahazo Vahana Ny Fanoheran'ny Miozolomana
Miha-mipoitra tsikelikely ny fahazotoan'ny miozolomana Ethiopiana manohitra ny fitsabahan'ny fitondrana mihamivandravandra amin'ny raharaham-pivavahany rehefa nanao fanentanana an-tserasera ry zareo tamin'ny volana Mey. Ary rehefa tafidina an-dalambe ny fahazotoan-dry zareo an-tserasera dia...
Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué
Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny...
Mozambika: Fodian'ireo Mpianatra Voaroaka Avy Any Sodana
Dimy tamin'ireo mpianatra telopolo nisoratra hahazo vatsim-pianarana ao amin'ny Anjerimanontolo Iraisampirenen'i Sodana izay, tany akaikin'ny faran'ny Aprily, no nanasonia fitarainana iray teny anatin'ireo tambajotra sosialy, mikasika ny olana ara-bola sy sosialy atrehan-dry zareo ao amin'ity firenena mampiantrano an-dry zareo ity, ary efa tafaverina any Mozambika ...Raha izay mba fantatra, tsy misy, hatramin'ny anio, olona nandray ny andraikiny
Mali: Tsy Miraika Manoloana Ny Fanimbàna “mausolées” Ao Tombouctou Izao Tontolo Izao
Hiditra ao anatin'ny tantaran'i Mali sy ny lova ara-kolontsain'ny zanak'olombelona ny 30 Jona 2012, tahaka ny hoe iray tamin'ireo izay tena namoa-doza indrindra. Ansar Dine, iray amin'ireo vondrona mitam-piadiana mifehy ny avaratr'i Mali, dia niditra tamin'ny fanimbàna ireo fasana masin'ny miozolmana (mausolées) tao an-tananan'i Tombouctou. Mihetsika ireo mpiondana aterineto: