Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Janoary, 2013
Fanakianana Ny Pasipaoro Diplaomatika Ho An'Ireo Solontea Ara-pinoana Ao Brezila
Vao haingana ny Minisitry ny Fifandraisana Amin'ny Any Ivelany no namoaka pasipaoro diplaomatika roa [pt] ho an'ireo pasitora mpitarika ny fiangonana evanjelika Igreja Mundial do Poder de Deus (Fiangonana Manerantanin'ny Fahefan'Andriamanitra), Valdemiro Santiago de Oliveira sy ny vadiny Franciléia de Castro Gomes de Oliveira, niteraka fifanakalozan-dresaka iray momba ny fahefan'ny andrim-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny tena famaritana ny hoe tsy fironana amin'ny ara-pinoana (laika) voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana ao Brezila.
SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan
Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg]. Manamarika...
“Hazara Daholo Izahay Rehetra” Hetsi-panoherana Nanerana An'i Pakistana
Olona an'arivony maro avy aminà tanàna samihafa ao Pakistana sy nanerana ny tanyno tonga naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa tamin'ny nidiran-dry zareo ny andro faharoan'ny fitorevahany tany Quetta, tanàna atsimo-andrefan'ny firenena