Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Avrily, 2013
Fivoriana Manohitra Ny Fankahalàna Hanosehana ny Fanavakavaham-Bolonkoditra Mihamanjaka ao Sri Lanka
Miomana ny hivory ao an-drenivohitra Colombo ny andron'ny 28 avrily ny mpikatroka manohitra ny fankahalana. Niaina fanafihana maherisetra misingatsingana sy kabary fankahalàna vondron'olona vitsy an'isa ny firenena tao ho ao....
Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis
Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry...
Fandraketana Trangam-Panavakavahana Mba Hampitsaharana Ny ‘Tsy Fikitika’
ONG iray iraisampirenena ny Video Volunteers, no sady mpiaro zon'olombelona, nanomboka ny fanentanana ARTIKLA 17 tamin'ny taona lasa izay idiran'ny fandraisana andraikitra amin'ny fijoroana vavolombelona mikasika ireo endrika samihafa isehoan'ny 'Tsy Fikitika' noraketin'ireo Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers an-tsary. Hatreto dia lahatsary 30 no azo jerena mikasika ny fanaovana izany manerana an'i India.
Bodista Manontany Ireo Bodista Henjam-pihetsika
Maro amin'ireo Sinhla Buddhists no mijoro manohitra ilay herisetra vao haingana teo natao tamin'ireo Silamo sy ny fivavahana hafa, ary ireo lahateny feno fankahalana nataon'ny Bodu Bala Sena (hery Bouddhiste), fikambanana iray Sinhala-Buddhist mahery fihetsika miorina ao Colombo (Sri Lanka). Naparitaky ny mpitandro filaminana sy ireo bodista mahery fihetsika ny fiaretan-tory iray nitondràna labozia tao Colombo renivohitr'i Sri Lanka, nokarakarain'ny vondrona Faceboob 'Buddhists Questioning Bodu Bala Sena’.
Myanmar : Iza No Nihavian'ny Rotaka Tao Meikhtila ?
[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana.] Nandritra ny telo andro, nampisafoaka ny fitroaram-bahoaka tao Meikhtila, ao amin'ny faritra Mandalay, ao Myanmar. Nanomboka tamin'ny 20...