Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Febroary, 2013
Kianin-dry zareo Senegaly Ny Fahafahana Vonjimaika Nomena An'i Béthio Thioune
Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpampianatra Korany Masina Cheikh Béthio Thioune, voasambotra ny ampitson'ny namonoany anankiroa tamin'ireo mpianany tao Médinatoul Salam, andro vitsy monja taorian'ny nadefasana azy hitsabo tena tany Frantsa.Ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity niteraka fanehoankevitra mivaivay teny anivon'ireo teratany Senegaly izay mihevitra fa niraviravy tànana tamin'ity raharaha ity ny fitsarana.
Amerika Latina: Mametra-pialàna Ny Papa – Manaraka Eny Ny Fanantenana, Hanihany Ary Fitadiavana Tombony
Nanampoka an'izao tontolo izao ilay fanambaràna ny fametraham-pialàn'ny Papa Benedict XVI avy amin'ny fiketrahana masina, na, ny marimarina kokoa, ny ny Pontifikà Faratampon'ny Fiangonana Katolika, tamin'ny Alatsinainy 11 Febroary 2013.
Mametra-pialàna ny Papa, Miforitra Amin'i Putin Ny Rosiana

Noho ny tsy fisian'ny fahalinana loatra amin'izay ho fiantraikan'ny fametraham-pialàn'i Benedict eo amin'ny finoana Katolika dia naleon'ny RuNet nanao ny fialamboly mahafinaritra azy, ny hanihany.
Filipina: Manolotra Fotoam-pivavahana Amin'ny Aterineto Ny Fiangonana Katolika
Nazoto nampiasa ny aterineto hamitana ny adidy evanjelika ny Fiangonana Katolika Filipiana tato ho ato. Tato anatin'ny taona vitsy lasa, nanokatra seha-pifaneraserana maro tamin'ny aterineto izy izay hahafahan'ireo Filipiana maneran-tany mankalaza ny fomba Kristiana
Karaiba: Inona No Nitranga Tamin'ny 2012 (Tapany 1)
Tamin'ity taona ity, nifarana tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina izay nahavaka ny saina, ireo tranga tao amin'ny tontolon'ny bilaogy teo an-toerana. Saika mijery ireo lohahevitra izay tena nandranitra resadresaka tamin'ny aterineto teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahamiana, Kiobana ary Karaiba miteny Frantsay, ny tapany 1 tamin'ity fintina 2012 ity.