Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Aogositra, 2018
R.D. Kongo: Mpanao fahagagàna, Lalomena mpiangaly mozika ary Takamoa mampahatahotra
Nahoana izy ireo no manohy mino an'ireny mpisandoka marobe milaza ny tenany ho pastora sy mpaminany ireny. Raha tokony ho ny fanahin'ny fizakantena no toriany, ny paosin'ireo mahantra indray no loaran-dry zareo ho takalon'ny fampanantenany fahagagàna, asa, vady, harena, ...
Fitsidihana ny bilaogy Libyana: Maty ve ny teny Arabo?
Matetika ny bilaogera Libyana miresaka lohahevitra samihafa sy isan-karazany - na resadresaka tsotra izany na tsia. Niteraka adihevitra momba ny antsoina hoe "fahafatesan'ny" teny Arabo ny lahatsoratra iray vao haingana lazaina fa tsotra navoakan'i Lebeeya
Masoarabo: Manohitra ny fomba Saodiana
Tamin'ny fankalazana iraisampirenena ny Andron'ny Vehivavy, naka lahatsary fitondrana fiara tao amin'ny faritra ambanivohitr'i Arabia Saodita ilay mpikatroka Saodiana Wajiha Huwaidar, mba hisarihana ny saina manoloana ny manjo ireo vehivavy Saodiana, izay voaràra tsy hitondra fiara, ary nandefa izany tao amin'ny YouTube.
Ejypta: Fanentanana “Atsaharo ny fihoaram-pefy amin'ny zava-mahadomelina”
"Atsaharo ny rongony.. Ovay ny fiainanao" no teny filamatra ho an'ny fanentanana iray vaovao mampiadihevitra natombok'i Amr Khaled tao Ejypta sy ny firenena Arabo hafa.
Firaondraonan'ny bilaogy ao Bangladesh
(Marihina fa tamin'ny 25 Septambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny zava-nitranga manerana izao tontolo izao avy amin'ny bilaogy Bangladeshi : * Fanabeazana: Nanakiana ny rafitry ny fanadinana farany...
Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana
Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "
Ao India, arovan'ny polisy ny omby, ahilika miandry fotoana ny olona
"Mampalahelo ny mahafantatra fa masina kokoa ny fiarovana ny omby noho ny fiainan'ny olombelona... Moa ve atao anjorom-bala tokoa ny vitsy an'isa eto amin'ny firenena ka kolokoloina ho olom-pirenena sokajy faharoa??"
Manao ahoana ny fahasamihafana ao Afghanistan? Ny mahazo ireo Sikh sy Haindò
"Tena feno alahelo! tsy azoko veroka ny alahelon-dry zareo sy ny hirifiriny raha mandao ny firenena, indrindra fa ny fianakaviana Avtar Singh izay mbola vao haingana ny ratra nahazo azy ireo! "
Misantatra Pride ny renivohitry ny karnavaly ao Karaiba

"Ny tena mahakivy ny mpitarika ara-pivavahana dia ny mahita fa misy ny pelaka eto amin'ity firenena ity ary tsy menatra izahay."
Angola: “Alambamento” Sy Ireo Fombafomba Fampakarambady
Misy fombandrazana iray somary henjana ao Angola, manodidina ny fangataham-bady, antsoina hoe "alambamento". Heverina mihitsy ho manandanja be noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (kristianina no resahina), ny alambamento dia ahitana andiana fombafomba, sahala amin'ny fanomezana taratasy iray misy fangatahana fanambadiana, matetika ahitana vola.