Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2015

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Mey, 2015

30 Mey 2015

Mifanjevo Ao Anatin'ny “Atin'akanjo Maloton'ny Paki” Ny Ara-nofo, Fivavahana Ary Politika

Nentin'ilay Pakistane metisy Amerikana, Aizzah Fatima, nitety izao karazan-toerana samihafa izao ny fampisehoana an-tsehatra lalaoviny samirery tato anatin'ny taona vitsy lasa. Na dia manafintohina ny sasany aza ny lohatenin'ilay fampisehoany. Lohateniny ny hoe : Atin'akanjo Maloton'ny Paki.

29 Mey 2015

Nilaza ho Tompon'andraikitra Tamin'ny Fanapoahana Baomba Tao Amin'ny Moske Tao Qatif Ny ISIS

Olona 21 no namoy ny ainy raha nanapoaka tena tao amin'ny moskea Shiita tao Qatif, ao amin'ny Faritany Atsinanan'i Arabia Saodita ny ISIS mpanao sorona ny ainy iray, taorian'ny vavaka zoma.

28 Mey 2015

Notazonin'ny Fiarovana Isiraeliana Ilay Arabo Amerikana Mpanao Gazety Nohon'ny ‘Nandraisany Fiaramanidina Nefa izy Miozolimana’

Nampahafantatra ny zavatra niainany tamin’ny "Fandraisana fiaramanidina raha toa ka Miozolimana" tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Tel Aviv ny Palestiniana iray mpanao gazety mizaka ny zom-pirenena Amerikana, Noor Wazwaz, milaza fa ny fanambaniana dia tsy manakivy azy hiverina indray.

25 Mey 2015

Fantaro Ilay Lehilahy Mpikambana Kongresy Te-Hahakristiana ny Aterineto

Mandany $2,600 isan-taona i Eduardo Cunha, filohan'ny antenimieran'ny solombavambahoaka mba hihazonana ny sehatra aterineto hoan'ny Kristianina. Amin'ireo habakany 288, mitondra ny anaran'i Jesoa Kristy ny 154 amin'izany.

12 Mey 2015

Kiobà : Ny Dihy Araka ny Fitsipiky ny Ocha-Ifá, Fombam-Pivavahana Afro-Kiobàna

Ity lahatsoratra ity no voalohany amin'ny andian-dahatsoratra momba ny fanehoana ara-mozika sy dihy mirindra kiobàna, anaovana topimaso ny fombam-pivavahana afro-kiobàna iray, ny Fitsipik'i Ocha-Ifà, na Santeria, sy ny dihy mbamin'ny fombandrazana miaraka aminy.

06 Mey 2015

Miady Amin'ny Fanoherana Amin'ny Fanaovana Vakisiny Miaro Amin'ny Lefakozatra

"Araka ny tatitry ny haino aman-jery, olona maherin'ny 60 no namoy ny ainy nandritra ny hetsika fiadiana amin'ny lefakozatra ao Pakistan hatramin'ny taona 2012."

03 Mey 2015

Maka Hetsika Maroloko Ilay Taombaovaon'i Bengali Manohitra Ny Fironana Mahery Fihetsika Ara-pinoana Ao Bengladesh

Tao anatin'ireo fetibe firavoravoana ho fankalazana ny Taombaovao Bengali tao Bengladesh ny hafatra iray mafonja "mandrehitra hazavana maro anatin'ny haizin'ny fo," mba hahatsiarovana ireo bilaogera sy mpikatroka mafàna fo nisy namono tsy ela akory izay.