Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Jona, 2017
Maraoka: Miaka-tsehatra Ny Gnaoua!
Isan-taona amin'ny volana Jiona, mpizaha tany an'arivony avy amin'izao tontolo izao sy Maraokana manerana ny firenena no mirohotra ao Essaouira, tanàna kely amoron-tsiraka tokony ho 200 kilaometatra avy ao Marrakesh feno olona, mba hamonjy ny Fetiben'ny Gnaoua sy ny mozika manerantany.
Sary: Fandehandehanana any Afrika Avaratra
"Nandany vola tamin’ny fividianana fitaovana fangalana sary raitra ny ekipa, mba hahafahantsika mampitombo ny isa sy ny hatsaran'ny sary mandravaka ireo lahatsoratsika."
Rahonan'ny Polisy Amin'ny Alàlan'ny Twitter Hoe Hosamborina ireo Maldiviana Bilaogera Any Ivelany

Maldiviana efatra mpitoraka bilaogy sady mpikatroka izay mipetraka any ampitan-dranomasina ho nandefasana didy fisamborana avy any amin'ny polisy tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny fahitana azy dia toa nokendrena izy ireo satria manondrotra ny tsy fironana amin'ny finoana, na izy ireo tsy mpino.
Miady Hevitra Momba Ny Fampijaliana Biby Mandritra Ny Fetibe Dashain Ao Nepal
Am-pifaliana no hankalazan’ireo Nepaley manerana ny tany ny Dashain satria mampiray ireo vondrom-piarahamonina sy ireo fianakaviana izy io. Kanefa tato ho ato, voatsikera ity fialantsasatra malala ity noho ny antony maro, fa indrindra indrindra noho ny fampijaliana biby.
Afrika: Eritreritra Fahavaratra (Hevitra Avy Amin'ny Renim-pianakaviana)
Firy taona no tokony hanomboka handrisika ny fangoraham-po sy hanome ho an'ny ankizy isika? Tohina i Isabella indray andro, raha tonga tao an-trano avy eny amin'ny toby ny zanany vavy ary nilaza taminy renibe izy (Isabella).
Iran: Tantara Ratsy Ara-nofo Nivoaka Tamin'ny Mediam-bahoaka
Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nandrakitra sy nampiditra lahatsary misy ny filoha lefitry ny sekolin'izy ireo, Hassan Madadi, miaraka amin'ny lobaka tsy mihidy, voalaza fa miomana hanao firaisana ara-nofo amin'ny mpianatra vehivavy ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Avaratra-Andrefan'i Iran,
Egypta: Ny Veran-Divay Teny An-tànan'ny Mpanjaka Abdullah
Niparitaka ny tsaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, niaraka tamin'ny sary izay mampiseho ny Mpanjaka Abdullah ao Arabia Saodita mipetraka teo anilan'ny filoha Amerikana George W Bush sady mitana veran-divay iray teny an-tànany. Kanefa dia voarara ny alikaola amin'ny finoana Islamo araka ny efa fantatrareo rehetra.
Ejypta: Mpirahalahy Miozolomana (Folo Taona Mahery Lasa Izay)
Te hizara aminao ny lahtsoratra nosoratan'i Wahda Maseyya - Tovovavy Ejypsiana - momba ny antoko Mpirahalahy Miozolomana sy ny heviny momba ny foto-kevitr'izy ireo aho.
Iran: Fisamborana sy Fandravàna
Nanohy ny politikany momba ny famoretana mihatra amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy sy ny Silamo Sufi ny governemanta Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Nosamborina andro vitsy lasa izay i Maryam Hosseinkhah, mpikatroka ny zon'ny vehivavy sady mpanao gazety, ary noravan'ny mpitandro ny filaminana ny Foiben'ny Silamo Sufi.
Israely: Tsy Manaja Ny Sabata i Harry Potter?
Aiza i Ely Ishai sy Ravitz isaky ny Asabotsy, andro izay handehanan'ireo Isiraeliana marobe eny an-tsena? Fotoana izao hisafidianana ny fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy, na ny tsy firotsahana an-tsehatra mahazatra.