Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Febroary, 2018

28 Febroary 2018

Taiwan: Ireo Tranobe Fivavahana – Fomba Iray Hitrandrahana ny Fomba Fifangaraon'ny Kolontsaina

Mamitaka ny endrika malazan'ny kolontsaina marolafy ho toy ny raritakelaka, salady iray lovia ahitàna ireo kolontsaina samihafa mifangaro nefa samy mitazona ny fahamendrehany manontolo,

Maraoka: Hajj sy Vodka, Fez ilay Fifanolanan'ny Fotoana, Ary Ireo Antony Folo Voalohany Hanivanan'ny Maraoka Telecom

Manontany ny antony anivanan'ny Maroc Telecom? Inona no mampiaraka ny hajj sy ny vodka? Ahoana no ataonao mba hivoahana any an'habakabaka? Manana ny valin'ireo fanontaniana ireo i Jillian York ary maro hafa tao anatin'ny fitetezana ny blaogy Maraokana.

Rakipeo: Antsafa Niarahana Tamin'I Sudanese Drima

Miresaka momba ny fiantraikan'ny media sosialy eo amin'ny finoana Islamo, ny fifandirana ao Darfour, ary ny olan'ny mari-panondroana Afrô-Arabo any Atsimo Atsinanan'i Azia isika ato anatin'ity antsafa maharitra folo minitra ity.

Eoropa Atsinanana : Lahatsary Maneho Fa Mihakatra Be ny Tahan’ny Fankahalàna Ny Fiarahan'ireo Mitovy Fananahana

Zon'olombelona an-tsary

Notanterahana ny 20 Sept 2006 tao Maosko ny hetsika farany mikasika ilay tantara mitohy ho fanoherana ny herisetra atao amin’ireo lahy samy lahy miaraka ary ny famoretan’ny fanjakana

27 Febroary 2018

Taiwan: Inona No Azon'ny Baseball Atao ?

...nanainga ireo mpitia baseball sasany hitondra ny fahatsiarovany ny baseball...Tsy fahafahampo ho an'ny Tranon'ny Fo Masina fotsiny ny vokatra azo fa ho an'ireo mpitia baseball ihany koa

26 Febroary 2018

Sri Lanka: Notre-Dame an'i Madhu sy Ilay Eveka

Raha ny filazana matetika momba ny fitanilàn'ny Eveka ao Mannar sy ireo pretra diosezianina manoloana ireo tigra, dia tsapa ny tsy firaharahiana ny toe-javatra misy....Bodista mpivavaka be ny filoha Mahinda Rajapaksa, saingy katolika mpivavaka be ihany koa i Shiranthi Rajapaksa vadiny.

13 Febroary 2018

Indonezia: Fankalazana Ny Taombaovao Shinoa Tany Jakarta

Nandritra ny 30 taona mahery, voarara hoan'ny Shinoa tany Indonezia ny fanehoana ny kolontsainy. Nambaran'ny fitondrana tsy refesi-mandidy fa tsy ara-dalàna ny fampiasana ny fiteny sy ny tarehintsoratra Shinoa. Noho ny Filoha Wahid tamin'ny taona 2000, nofoanany ny fanavakavahana natao tamin'ireo Shinoa sy ireo vitsy an'isa tamin'ny ankapobeny.

09 Febroary 2018

“Bio-testamenta” ao Italia : Lasa Lalàna

Tamin'ny 14 Desambra 2017, nankatoavin'ny parlemanta Italiana ny lalànan'ny testamenta ara-biôlôjika (bio-testamenta), izay hahafahan'ny olom-pirenena manapa-kevitra amin'ny fitsaboana atao sy tsy atao aminy amin'ny fiafaran'ny fiainan'izy ireo

07 Febroary 2018

Ny Fiandrasana Ny Fanakonà-Masoandro Tany India

Ho an'ny Haindò, tsy tranga fotsiny amin'ny astronomia ihany ny fanakona-masoandro fa tena misy dikany lehibe ihany koa amin'ny fivavahana sy ny finoana ara-kolontsaina izany.

06 Febroary 2018

Chile: Nolavin'ny Vaomiera Ny Fananganana ny Sarivongan'i Papa Joany Paoly II ao Santiago

Nolavin'ny Vaomiera Nasionalin'ny Fananganan-Tsangambato Shiliana ilay tetikasa fananganana sarivongana goavana an'i Papa Joany Paoly II izay haorina ao amin'ny kianja iray ao an-drenivohitra Santiago.