· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2011

Tonizia: Bilaogera Arabo Niresaka Momba ny Toe-draharaha ao Syria

Notsarovana sy noresahan'ireo mpandray anjara marobe manokana i Syria tamin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo andiany fahatelo tao Tonizia tamin'ity herinandro ity. Tsy nolazaina firy tamin'ny adihevitra momba ny Syria ny fifaliana nateraky ny revolisiona tao Tonizia sy Ejypta, izay ahitana ny fitomboan'ny herisetra ataon'ny fitondrana,  mananika ny 3000 ireo namoy ny ainy, kanefa...

Yemen: Mankalaza an'i Tawakkol Karman

Tawakkol Karman, mpanao gazety tso-po sady mpitolona momba ny zon'olombelona, voalaza ao amin'ny Guardian ho "tsilo manembatsembana an'i [filoha Yemeni Ali Abdullah] Saleh", dia nahazo androany ny "loka nobel" fandriampahalemana voalohany avy any Yemen. Ohatra voalohany amin'ny herim-po sy herin-tsaina izy tany Yemen nanomboka tamin'ny taona 2007.

Myanmar: Naaton'ny Filoha ny Fananganana Tohodrano

  05 Oktobra 2011

Nanaitra ny maro ny nataon'ny fitondran'i Myanmar tamin'ny baiko fampiatoana ny fananganana ilay tohodrano niteraka andihevitra ho valin'ny fanoherana sy ny fanangonan-tsonia nataon'ny tambanivohitra sy ny fiarahamonim-pirenena. Adikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices mydaydream ho antsika ny vaovao amin'ny teny Birmana sy ny domberina azo tamin'ny fampiatoana ny tetikasa

Espana: Polisy “Niarahaba” Ireo Mpanao Hetsika 15M Tao Paris

  05 Oktobra 2011

Niainga taminà tanàna maro samihafa tao Esapana sy Frantsa ny " ny diaben'ireo olona sorena" mba hamakivaky an'i Eraopa, ary dia nirahaba izany tamin'ny fombany ny polisy tao Pari. An-jatony ireo olona nizotra ho any amin'ny Parlemanta Frantsay no voataritarika tamin'ny tany, nofafazana dipoavatra ary nosamborina. Mitatitra i Chris Moya.

Yemen: Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen

Nanambatra ny anarany amin'ny Hetsika isan-jomà, ho fiaraha-mientana, ny Revolisionera any Syria sy Yemen izay manohitra amam-bolana izao ny fitondrana mpanao didijadona sy be fihaikana. Ao amin'ny "Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen" no nandritra ny ezaka ataony hizara tsy amin'ny anarana iray ihany, fa amin'ny saina mihofahofa mitovy, hiaka hatramin'ny rakipeo sy lahatsary aza, ny mpikatroka ao amin'ny firenena roa tonta