Ilay antsoina hoe “diaben'ny fahasorenana” [es], nivondronan'ireo tarika telo (Meseta, Toulouse and Mediterranean), dia niainga tao Madrid, Barcelona sy Toulouse ka Bruxelles no tanjon-dry zareo farany. Ny tanjona dia ny hanely ny fitakiana sy hafatra entin'ny hetsika 15M [15M no anarana nomena ny hetsika tao Espana satria ny 15 May no nanombohany) ho any amin'ireo mpitondra firenena ao amin'ny Fiombonambe Eraopeana. Vantany vao voadingan-dry zareo ny sisintany Espaniola, nahita fandraisana tsara avy amin'ny mponin'ireo tanana nizorany ireo tarika tsirairay. Indraindray, gaga ireo mponina sy mpandalo, saingy naneho fiombonam-po ihany ny ankamaroany.
Las marchas indignadas quieren llegar a los corazones y mentes que impulsaron un movimiento capaz de generar conciencia, unión y amor. Esas ideas y emociones han creado proyectos sociales capaces de unir no solo a una nación sino a un mundo; esta es nuestra intención. (http://marchabruselasmediterranea.blogspot.com)
Vantany vao tonga tao Paris ry zareo tamin'ny 17 Septambra dia nanapa-kevitra ny hikarakara fifamoriana tao amin'ny manodidina an'i Bercy sy fidinana an-dalambe mamakivavy ny renivphitra Frantsay, hitady toerana hitorevahana mandritra ny andro vitsivitsy alohan'ny hanohizany n y dia mankany Bruxelles, ary nametraka toerana fakàm-baovao ho an'ireo vahoaka frantsay liana amin'izany.
Efa zatra mangirifiry noho ny herisetra tsy fanta-pototra avy amin'ny herisetran'ny mpitandro filaminana, noho ny fanapahriaham-baovao sy fipetrhana eny amin'ireo toerana ho an'ny daholobe fotsiny, nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana ny amin'ireo loza hafa mety mbola hihatra amin'izy ireo, ary ny fisian'ny mpitandro filaminana maro dia tsy midika fa hoe afaka mizotra am-pilaminana ny diabe, fa dia efa miely be moa ity famonoana lolo ataon'ny polisy ity.
Taorian'ny diabe iray tam-pitoniana, tam-pifaliana ary nilamina, ary najain'ireo mpandalo sady tsy nanapaka akory ny fifamoivoizana, olona maherin'ny 100 no nihaona tao amin'ny Lalambe migodanan'ny Saint Germain mba hizotra ho any amin'ny Parlemanta Frantsay ary, araka ny fomba firotsahana an-tsehatra efa mahazatra ny polisy, dia tamin'izay indrindra no voahodidin'ny andiana mpitandro filaminana sy nanomboka voatoraka tamin'ny entona mandatsa-dranomaso ry zareo.
Avy eo, ity andian'olona 100 ity dia nisafidy ny hanao fanoherana tsy an-kihetsika ary niafara tamin'ny fitorevahana tamin'ny tany. Saingy ireo, polisy mpandrava korontana dia nitaritarika azy ireo tamin'ny tany, namafy dipoavatra teny amin'ny tavany, ary nisambotra ny ankamaroan'izy ireo.
@marcheparis: La marcha a Bruselas del movimiento 15-M es disuelta a golpes por la policía en Paris #marchabruselas #walktobrussels bit.ly/q6VQ13
Nivoaka tamin'ny famoahana gazety tao amin'ny tranonkalan'dry zareo @acampadasol [es] ireo 80, fitambaran'ny isan'ireo voasambotra, izay miparitaka any amin'ireo tobin'ny mpatandro filaminana samihafa manerana ny tanàna:
- Kaomisarian'ny boriborintany faha 18, Rue de Clignancourt (Telephone: 01 53 41 50 00). Nafahana daholo (37 nafahana).
- Boriborintany faha -11t – Foiben'ny Polisy ao Paris, Charles Dallerey Passage. Afaka daholo afa-tsy iray tsy ampy taona (35 nafahana).
- Boriborintany faha-6, Rue Jean Bart (Telephone: 01 44 39 71 70) 4 voatàna (izahay mihevitra fa misy 18 mihitsy aza).
- Boriborintany faha-5 , Rue Montagne St Genevieve. 30 voatàna (5 nafahana)
Tanaty filazana an-gazety, nangatahan-dry zareo ny mpampahalala vaovao Espaniola mba handrakotra tsara ireo hetsika sy fisamborana
Es imprescindible que un máximo de medios españoles difundan la información con el fin de facilitar los trámites de liberación de los detenidos.
Tamin'ny farany, tsy izany no nitranga ary dia lasa toy ny tapiham-baovao monja ny vaovao momba ireo Espaniola 80 voatanan'ny [es] manampahefana Frantsay ho an'ireo famoaham-baovao sasany, raha ny sasany kosa miezaka ny tsy hiresaka mikasika azy io tsotra izao.
@spainrevolt: Detienen a más de 100 españoles en Francia y no lo cuentan. bit.ly/nuKGd1 #elpais, os echamos una mano con la edición de mañana?
Mifandraika amin'izay, fantatr'izy ireo fa 11 tamin'ireo voasambotra no hiatrika mpitsara Frantsay noho ny famotehana ny fitaratry ny fiara nitaterana azy ireo. Na dia efa navotsotra aza ry zareo, mbola tsy maintsy miverina eo anatrehan'ny fitsarana alohan'ny 31 Oktobra.

Notaterina nankany amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana ireo voatàna. Loharano: http://www.facebook.com/15mMarchaBruselas
Olivier García, mpanolotsaina amin'ny lafiny lalàna an'ireo voasambotra, dia milaza ilay fanapahan-kevitra hitondràna azy ireo ho eo anoloan'ny mpitsara ho “tsy mifanentana” [es], ary niteny fa “tsy mbola nisy toa azy” raha n y marina io fepetra noraisin'ny mpampanoa lalàn'ny distrika io.
Fueron detenidos para un control de identidad, cuando eso puede hacerse en la vía pública, y trasladados en un furgón policial a la comisaría.
Taorian'ny nofy ratsy Pariziana, nanohy ny diany hankany Bruxelles ilay diabe.