· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2011

Azerbaijan: “Andron'ny olona mahafinaritra” Tsikera momba ny fihetsiketsehana

  21 Marsa 2011

Taorian'ny  fihetsiketsehan'ny tanora tao Baku ny faha-11 ny volana martsa izay nahitana ireo tanora mpitolona voatàna sy voasambotra teo aloha, nandritra ny zava-nitranga sy taoriana, nitsikera ireo mpikarakara ny bilaogera sasany ao Azerbaijan izay nanjary fantatra amin'ny anarana hoe “Andron'ny olona mahafinaritra.” Analoqu olmayan bloq 🙂 [AZ],ohatra, mitsikera ny momba...

Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka

Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy, ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Filazàna sy didim-panjakana avy eo no nanaraka fa hoe volabe an-davitrisa no hatondraka ho an'ny Saodiana.

Bahrain : Tsy hita i Ali Abdulemam

GV Mpisolovava  19 Marsa 2011

Vao avy nandray vaovao mampalahelo avy amin'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona Bahrainita izahay fa: tsy hita i Ali  namanay sy mpiara-miasa aminay. Ali Abdulemam, bilaogera fitaratra sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices Advocacy, dia nogadraina ny 4 septambre 2010, ary noafahana ny 23 febroary 2011, rehefa nanome baiko hanafahana ireo andiana gadra...

Senegal: 19 Martsa, Andron'ny Hetsika

  19 Marsa 2011

Mitsoka manerana an'i Maghreb sy Atsinanana Afovoany ny rivotry ny fikomiana. Maneho ny tsy fifaliana amin'ireo firiorion'ny governemantany ny mpanohitra. Voafidy ho daty hanaovana ireo fihetsiketsehina ao amin'ny firenena ny 19 Martsa 2011.

Palestina: Fihetsiketsehana ho amin'ny firaisam-pirenena

Niantso fihetsiketsehana ao Gaza sy Cisjordanie ireo tanora tsy miankina ao Palestina ny 15 martsa 2011,  mba hampiseho ny fankatoavany an'i Palestina fa tsy i Hamas sy Fatah. Nokarakaraina tamin'ny alalan'ny Facebook izany, an-jatony ireo nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny al-Katibah  ao an-tanànan'i Gaza. Hita tokoa fa ny sainam-pirenen'i Palestina...

Libanona: Tsy niresaka momba ny famoriam-bahoakan-dry Hariri ny Bilaogera

Rehefa nahazo aingam-panahy avy tamin'ny fihetsiketsehana manerana n tontolo Arabo dia nanao famoriam-bahoaka tao Beirota ny praiminisitra teo aloha Saad al-Hariri tamin'ny Alahady teo mba hiantso amin'ny fanesorana fitaovam-piadina ny  Hetsika tsitohaina Shi'ita Hezbollah. Ny Hezbollah no antoko politika lehibe indrindra sady vondrona tokana mbola mitazona ny fitaovam-piadiany – no nanala...

Libia: Any Benghazi daholo ny maso (Lahatsary)

Benghazi tanàna faharoa lehibe indrindra eo amin'ny firenena no foibe politika sy fanahy mpikomin'ny hetsika manohitra ny Kolonely mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi. Miaraka amin'ireo hery ara-tafiky ny mpikomy izay voadoana mafy ihany tamin'ny fanafihan'ireo herin'i Gaddafi, na izany aza, mety ho lasa toerana famaharana farany ho an'ny fahafahan'ny Libiana i Benghazi.