Syria indray no firenena farany isiana fihetsiketsehana lehibe manerana an'i Afovoany Atsinanana (Moyen Orient). Raha tsy nahomby ny fiantsona hihetsika tamin'ny 5 febroary teo, dia nahavory vahoaka an-jatony maro avy amin'ireo tanàna marobe kosa ny fiantsona indray hidina an-dalambe ny 14 martsa, tao anatin'izany ny renivohitra, Damascus sy Aleppo. Raha somary vitsy ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nampatsiahy ny zava-nisy teo aloha tao Syria raha tsy heno ny fihetsiketseham-panoherana ny governemanta, potika tsy azo raisina izay fikasana hanohitra rehetra.
Tamin'ny 16 Martsa, manodidina ny 150 no nanao fihetsiketsehana manoloana ny minisiteran'ny Atitany mitaky ny famoahana ireo gadra noho ny fitenenana, tonga teo koa ireo fianakaviany.
. Naparitaka tamin-kerisetra ireo mpanao fihetsiketsehana ka manodidina ny 38 ireo voasambotra.
Androany, fihetsiketsehana goavana no niseho manerana ny firenena, ary ny be olona indrindra dia tao Dara'a, 100Km(60 Miles) atsinanan'ny renivohitra Damascus. Fampiasan-kery mahafaty no nampiasaina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ary nilaza ny fahalalam-baovao fa 6 ireo maty ary manodidina ny 50 no naratra.
Bilaogera Syriana @Okbah nitatitra tao amin'ny Twitter:
Mampiseho ny fihetsiketsehana tao Dara ity horonan-tsary manaraka ity, izay ahitana ireo vahoaka miventso hoe “Ilay Mpiaro no Mpangalatra.”
@Okbah adds:
Nanamafy ilay mpikatroka Syriana antsoina amin'ny solon'anarana hoe Malath Aumran fa efa miseho ny faharavana:
Antson'ny namana iray: fanafihana ny biraon'i Atef Najeeb, sy ny lehiben'ny departemanta ny politikan'ny fiarovana ao Derra #Syria
Avy any Etazonia, nilaza ilay mpikatroka Syriana Ammar Abdulhamid fa:
#Syria: efa revolisiona ofisialy izany. Fifandonana ao #Deraa #Homs #Damascus #Banyas#Hassakeh #DeirAzzor #Hama, sns March15 إنها الثورة
Mampiseho ny fiara mpamono afo nampiasaina hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny fitifirana rano:
Nitatitra ny Syrian Revolisiona tao amin'ny pejin'ny Facebook fa angidim-by maromaro no tazana eny amin'ny habakabak'i Dara, ary araka ny lazainy dia tsy misy atahorana ao an-tanàna satria mpitandro ny filaminana an-jatony no miatrana ao. Araka ny voalazan'ny pejy ihany koa, nisy nandoro ireo fiaran'ny mpitandro ny filaminana 6, miezaka manafina ireo vatana mangatsiaka voavono tamin'ny fahamaizana ny manam-pahefana.
Fomban'ireo mpitandro ny filaminana sy ny miaramika no miditra an-keriny ao amin'ny hopitaly ary manery ireo dokotera mba hanao taratasy fanamarinam-pahafatesana sandoka milaza fa namoy ny ainy noho ny lozam-piarakodia ireo olona voavono.
Ho tantarainay eto ihany ny tohin'ny zava-nitranga.