Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2011

Côte d'Ivoire: Famoretana tan-Kerisetra an'Ireo Hetsika an-Dalambe

Taorian'ny fitsaharana kely, mifantoka amin'i Cote d'Ivoire indray izao ny sain'ireo mpampita vaovao manerantany. Tato anatin'ny dimy andro dia niaina herisetra mivaivay indray ny firenena ary fihamafisan'ny resak'ireo mponin'ny aterineto Ivoariana.

Libya: “Roso toy tsa mimpody intsony”

Mety ho ora sisa no isaina amin'ny fitondran'i Muammar Al Gaddafi. Saingy rehefa nandrahona ny hamono ny mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila mihaika ny fitondrany izy dia mamparary an-doha ny ora sisa andrasana. Any amin'ny toerana tsy eo ambany fifehezan'i Gaddafi intsony dia efa manomboka manangona tahirin-kevitra momba ny fanitsakitsahana...

Bahrain: Fitifirana ireo mpitolona amin'ny bala tena izy (Video)

Nitobatobaka manerana ny vohikalan'ireo media sosialy ireo tatitra fitifirana tany amin'ny faritra maro tany Manama, renivohitr'i Bahrain nandritra ny 18 Febroary 2011 tolak'andro. Ireo Video nalaina tany amin'ny faritra samihafa dia tsy vitan'ny sady mampiseho ny fotoana nisy ny fitifirana, fa koa ireo nijaly noho izany taoriana (FAMPITANDREMANA: sary mahery).

Libya: Niteny i Obama, antso tao amin'ny Tweeps

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetseham-bahoaka 2011 Lybia. Nivoaka tamin'ny fahanginany ny filoha Amerikana  Barack Obama noho ny zava miseho ao Libya, nisy ny kabary nataony tao amin'ny Trano Fotsy [Maison Blanche] ny zoma , saingy tsy dia nahafa-po an'ireo izay nihaino Twitter ny hafatra nataony,...

Iran: Tandindonin-doza i Hossein Ronaghi, mpitoraka bilaogy voafonja

Ilay mpitoraka blaogy Iraniana Hossein Ronaghi Malki dia manefa sazy 15 taona an-tranomaizina any amin'ny trano tsara aron'ny Fonjan'ny Evin, tsy mahazo mifandray amin'ny fianakaviany na ny mpisolo vava azy. Mojtaba Samienejad, mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady sekreteran'ny Trano Misahana ny Zon'olombelona any Iran, dia nilaza tamin'ny BBC Persiana...

Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana...

Koety: Mitaky ny zony ny ‘Bedoun’ tsy manan-tanindrazana

Miditra amin'ny andro fahatelo ny fihetsiketseham-panoherana ataon'ny mponina koesiana tsy manan-tanindrazana, fantatra ihany koa ho 'bedoun' (tsy manana zom-pirenena), mitady ny fampitovian-jo sy fizakana zom-pirenena izay nahaterahan'ny maro sady heveriny ho fonenany tokana. Ny fitondrana moa milaza fa tsy mponina ara-dalàna izy ireo - ary tsy ara-dalàna ihany koa ny...

Bahrain: Afaka ilay Bilaogera Ali Abdulemam

Ela ny ela fa dia tafavoaka ny fonja ihany ilay blogger Jailed Bahraini Ali Abdulemam. Ampifaliana no nandraisan''ireo mpankafy azy manerantany izany vaovao izany, ra iny tazany tamin'ny alalan'ny an-tserasera iny ny sariny notsenain'ny fianakaviany sy ny namany.

Nobodoina nymasoivoho Libyana ao Dubai ary nesorina ny saina!

Ho valin'ny famonoana izay nitranga tany Libya sy ny tsy fahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany, ny mpanao fihetsiketsehana ao Dubai, UAE, dia nankeny amin'ny masoivoho Libiana ny talata mba hitaky ny fanajanona ny fandatsahan-drà ary hanongana ny Kolonely Muammar Gaddafi.

Macedonia: Global Voices Nasongadina tamin'ny Fandaharan'ny Fahitalavitra