Ela ny ela fa dia tafavoaka ny fonja ihany ilay blogger Jailed Bahraini Ali Abdulemam. Ampifaliana no nandraisan”ireo mpankafy azy manerantany izany vaovao izany, ra iny tazany tamin'ny alalan'ny an-tserasera iny ny sariny notsenain'ny fianakaviany sy ny namany.
Ali, ilay mpitantana malaza momba ny serasera forum Bahrain Online dia voasambotra tamin'ny fiatombohan'ny volana Septambra, nandrindra ny famaizana ny mpanohitra , ka 250 ireo olona voasambotra nanomboka ny volana Aogositra . Niovaova teny ny antony niampangana azy ireo raha toa ka heloka momba ny fampihorohorona sy fikasana hanongam-panjakana no niampangan'ny governemanta Barhain azy voalohany. Farany, dia vondron'olona 25 no tafaraka tao amin'ny fonja iray ary notsaraina avy eo, ka anisan'izany ireo mpanao politika sy mpiaro ny zon'olombelona, – Ny didim-pitsarana dia nahatonga adihevitra tetsy sy teroa, ankoatra ny mpanao gazety eo an-toerana, izay tsy nahazo nanatrika nandritra ny fotoam-pitsarana
Omaly, ny mpanjaka Bahrain Hamad dia nanome baiko mba hanome fahafahana an'ireo voafonja miisa manodidina ny 100, tafiditra amin'izany ny gadra politika, ary anisan'izany i Ali. Ity misy tweets nofidina manokana momba ny fahafahan'i Ali:
@weddady: ALI #ABDULEMAM DIA AFAKA, NIRESAKA TAMINY AHO #BAHRAIN
@OnlineBahrain: BAHRAINONLINE DIA FALY NANDRAY AN I ALI ABDULEMAM. NY TSIRON NY FAHAFAHANA DIA MAHAFINARITRA KOKOA HOY IZY feb14 #bahrain
@Bahrain: #bahrain Ali Abdulemam of #bahrainonline dia afaka #blog #blogger
@SAIDYOUSIF: Afaka i #Bahrain ali abdulemam Feb14 http://yfrog.com/h26fdphj
@iDiplomacy: Vaovao tsara #Bahrain, bilaogera & mpandray anjara @globalvoices , afaka iAli #Abdulemam omaly. http://bit.ly/dV5avx via @wedaddy @monaeltahawy
@iDiplomacy: Ali Abdulemam, blaogera #Bahrain, dia notazomina am-ponja ny volana septambra lasa teo satria nolazaina fa nanely vaovao tsy marina izy, ao amin'ny BahrainOnline.org. http://bit.ly/awbmP6
@TruthWitness: ALI #ABDULEMAM, AFAKA ihany. #Feb14 Nisafidy azy mba hitondra teny amin'ny fihetsiketsehana atao ireo tanora #Bahrain #Lulu http://twitpic.com/42rz8w
@MhamadHasan: @JustAmira @weddady http://yfrog.com/h32dt5j Ali #abdulemam fivoahana tao am-ponja ! #bahrain http://yfrog.com/h32b1nj
@MhamadHasan: Ali #abdulemam nivoaka ny fonja! #bahrain http://yfrog.com/h32dt5j
@EthanZ: Faly mahita an'i Ali Abdulemam afaka ny fonja tao Bahrain. Mabrouk ho azy, ho an'ny fianakaviany, ho an'ireo nitolona tamin'ny fahafahany.
@monaeltahawy: Miarahaba ny namako @weddady noho ny hery nasehony mba ho fahafahana ho ahy #Bahrain blogger Ali #Abdulemam izay nahazo fahafahana anio. Mabrouk!
@NadineToukan: 🙂 “@weddady AFAKA IZY!! “@AfriNomad Sary amin'ny fahafahana anio #Bahrain blogger Ali @Abdulemam http://yfrog.com/h6eghoj v @maryamalkhawaja
@elsaheb: Bahrain dingana iray ho amin'ny lalana marina. Nabaribary fa afaka i Ali Abdulemam.
@JonGarfunkel: 5 volana lasa dia nandany <$100 mba ividianako dokam-barotra ao amin'ny Google Ads ho fangatahana ny fahafahan'i Ali #Abdulemam http://bit.ly/9pOWUM. Novidin'ireo Bahrainis tamin'ny ràny. Tonga soa , Ali!
@jamal_alyousif: Fiarabana makotrokotroka ho an'i Ali Abdulemam, ny fianakaviany ary ireo bilaogera tsy eto an-toerana! #bahrain #feb14
@mehrza: (maniry izany koa ho an'ireo bilogera voafonja maneran-tany) Afaka ny bilaogera #Bahraini Ali Abdulemam! #OR318 /@March18Movement
@lheron: Ali Abdulemam, izay niara niasa tamiko tany WashingtonPost, dia noafahana tahaka ny gadra politika tao #Bahrain telo volana taty aoriana (via @weddady @bahrain)
@JoelleJackson: Tena faly raha nahare fa afaka ihany nony farany i Ali #abdulemam ! Mabrook aminy sy ny fianakaviany.
@habibh: Faly tokoa nahare fa noafahana i Ali #Abdulemam ! #Bahrain #UniteBH cc @khalidalkhalifa
@BaghdadBrian: Ali #Abdulemam dia afaka. Fiatombohany izao, kanefa hanao ahoana ny ho avy ao #Bahrain ? Moa hahafa-po ny mpanohitra ho toy ny marika fandavan-tena tsara va?
Na izany aza anefa, ireo mpikatroka dia mitaky fiovana, izay nanomboka tao Bahrain ny Febroary 14, ka mbola mitohy.