Taorian'ny fitsaharana kely, mifantoka amin'i Cote d'Ivoire indray izao ny sain'ireo mpampita vaovao manerantany. Tato anatin'ny dimy andro dia niaina herisetra mivaivay indray ny firenena, ary fihamafisan'ny resak'ireo Ivoariana mponin'ny aterineto .
Ny 19 Febroary 2011, “revolisiona” ampilaminana iray [fr], araka ny niantsoan'i Guillaume Soro azy- ilay praiminisitry ny Filoha Alassane Ouattara nankatoavin'izao tontolo izao – no nokarakaraina tamina toerana mafo samihafa teo amin'ny firenena. Milaza i Ouattara fa nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny 2010 nanoloana an'i Laurent Gbagbo izay efa filoha hatramin'ny taona 2000, ary noho izay no nanambarany ny tenany ho filoha voafidim-bahoaka ho an'i Cote d'Ivoire.
Mpanao fihetsiketsehana maty
Voaporitra tan-kerisetra mafy tokoa ny hetsi-panoherana tany Abobo, distrika iray mpomba an'i Ouattara any Abidjan renivohitra ara-toekarena Ivoariana, nahitàna farafahakeliny olona 3 maty [fr].
Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho fiara mifono vy an'ny Iraky ny Firenena Mikambana ao Côte d'Ivoire (UNOCI) miaro ireo mpanohana an'i Ouattara manao hetsi-panoherana an'i Gbagbo:
Tchélé Kobres dia nandrakitra sy nampakatra ity lahatsary manaraka ity tao amin'ny vondrona Facebook ‘Observatoire démocratique en Côte d'Ivoire‘ [fr]; ilay vondrona izay misora-tena ho sehatra ho an'ny daholobe hfifanakalozan-dresaka malalaka momba ny fivoarana ara-demaokratika ao Côte d'Ivoire ary manana mpikambana maherin'ny 2.000.
Ilay lahatsary dia mampiseho lehilahy iray miakanjo matroka mitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana mitondra tanam-polo tamin'ny Sabotsy 19 Febroary 2011:
Ny 21 Febroary 2011, andro izay nampitovian'i Guillame Soro ny hetsika ho toy ny “Revolisiona amin'ny fomba Ejiptiana” , fito no olona [fr] nambara fa maty tamin'ireo mpanohana an'i Ouattara.
Nizara lahatsary nahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana namoy ny ainy ireo Ivoriana mponin'ny aterineto. Ity lahatsary ity (TANDREMO: NY SARY ) nalefan'i mdosso4002 tao amin'ny Youtube, dia mampiseho ny vatana mangatsiakan'ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba an'i Ouattara maty tany Koumassi, Abidjan, noho ny tifitra bala afomanga nataon'ny Herim-Piarovana avy amin'ny tarika Gbagbo – Force of Defense and Security (FDS).
Mitondra fanamarihana ilay olona nandrakitra ny lahatsary:
Le sang n'est pas versé pour rien Gbagbo
Ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny Twitter dia nanjary vao maika nihamafy fototra nanaraka ny onjan'ny fihetsiketsehana, miaraka amin'ireo bitsika niova ho somary maherihery setra kokoa:
Ny sasany amin'ny mpampiasa Twitter dia miezaka mampitony ny toe-draharaha:
Mpampiasa Twitter iray hafa no mandrisika ny olona monina ao Abobo, disrtrika iray mpomba an'i Ouattara ao Abidjan, mba hanohy ny tolona:
Honohono tsy mbola voamarina no miteny fa manomana ady anaty akata hanoherana ny FDS ireo mpomba an'i Ouattara monina ao Abobo:
Mandritra izany, ny tenifototra #civ2010 dia mitana ny lohany amin'ireo lohahevitra ho an'ny Twitter any Frantsa, araka ny nambaran'ny Twirus: