Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2015
Artista Rosiana Mpanao Fampisehoana, Notànana Noho Ny Nandrehetany Ny Foiben'ny Sampana Fiarovana Federaly
Pavlensky, fantatra amin'ny kanto manaitra ary indraindray kanto vita tsara fa manafintohina, nilaza fa hetsika iray entina mampiseho ny "fomba feno fandrahonana tsy miato" ataon'ny FSB amin'ireo olon-tsotra, ny fandoroana ireo varavarana.
Lasa Niova #FeesHaveFallen (Nidina Ny Saram-pianarana) Ilay Tenifototra Tany Afrika Atsimo Hoe #FeesMustFall (Tokony Hidina Ny Saram-pianarana). Fa Tena Izany Tokoa Ve?
"Ny tena marina dia sempotr'ilay hoe TsyNidinaNySaram-pianarana ilay hoe #FeesHaveFallen. Tsy nisy na inona na inona niova; nisy zavatra voasakana.."
Mihabetsaka ny isan'ny hetsi-panoherana ao Rosia, hoy ny navoakan'ny fanadihadiana
Nisy fitomboana 15 isanjato ny hamaroan'ny fihetsiketseham-panoherana rehetra tao Rosia voarakitry ny manampahaizana raha oharina tamin'ny enimbolana voalohany 2014.
Nahoana No Te Hanongana Ny Governemanta Ny Lehiben'ny Mpanohitra Ao Montenegro
Nilaza ny tsy fahafaham-pon'ny vahoakan'i Montenegro amin'ny fitondram-panjakan'izy ireo sy ny "Serba nasionalista" na ny fihanaky ny "mpomba ny Rosiana" ao anatin'ny fiarahamonina Montenegro ny ankamaroan'ireo fampahalalaham-baovao. Tsy izany no tena tantara.
Tsy Misy Anenenako: Tao Anaty Boky Iray Vaovao, Filoha Taloha Hàlam-bahoaka Ao Kyrgyzstan Tsy Mila Famelàna Heloka
Teny tokana no tsy ampy tao anatin'ny bokin'i Kurmanbek Bakiyev, ilay mpifehy tsy norefesi-mandidy nanao sesintany ny tenany, teny fototra afaka namadika azy io ho ny boky be mpividy indrindra : Azafady/Mifona.
Mikarakara Fitsapankevitra Hijanonany 35 Taona Mahery Eo Amin'ny Fitondràna ao Kongô i Sassou-Nguesso
Filoha 4 amperinasa ao Afrika (Roandà, Borondi, Repoblikan”i Kongô ary ny Repoblika Demaokratikan'i Kongô) no miezaka manalava ny fe-potoana fiasàny hihoatra ny fetra napetraky ny lalàm-panorenana any amin'ny tany misy azy avy. Ao Kongô Brazzaville, nisy fitsampankevitra naroson'ny filoha Denis Sassou-Nguesso mba hahafahany mirotsaka indray hofidiana. Fepetra vaovao nolavin'ny mpanohitra...
Asehon'ireto Sary Ireto Ny Tolon'ireo Vazimba Teratany Manohitra Ny Fanararaotana Ao Filipina
Manana vazimba teratany eo amin'ny 14 tapitrisa eo i Filipina. Any aminà vohitra lavitra, tandindonin'ny fandravàna ateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany mitondra faharavàna, ny hetraketraky ny fampandrosoana ary ny famenoana miaramila ny tanànany ny maro amin'izy ireny no monina
Manao fanangonan-tsonia hanoherana ny halafon'ny aterineto ny Mozambikana
NItsambikina ny saran'ny aterineto tao Mozambika noho ny fanapahan-kevitry ny Ivontoerana Nasionaly Misahana ny Fampitan-Kafatra (INCM) hanapaka ny fanampiana ireo mpanome tolotra aterineto ao an-toerana hatramin'ny 75%, izay manimba ny toeran'ny governemanta milaza ho mpomba ny aterineto.