Taorian'ilay hetsika nasiônaly #FeesMustFall izay nitondra ireo anjerimanontolon'i Afrika Atsimo ho amin'ny tsy fahafahana nihetsika, nihaona tamin'ireo mpitarika mpianatra ny Filoha Jacob Zuma ny Zoma 23 Oktobra, ary nanambara fa tsy hisy fiakaran'ny vola fandoa. Nampanantena ihany koa izy ny hijery ireo olana lehibebe kokoa izay misy fiantraikany amin'ireo mpianatra ao amin'ny anjerimanontolo, toy ny trano fonenana sy ny fanavakavahana. Nalavaina ihany koa ny fotoana farany ho an'ny fanadinana mba hanenjehana ny fotoana very.
Noeritreretin'ny governemantan'i Afrika Atsimo ny hampitombo 12 isan-jato eo ny saram-pianarana amin'ny fianarana ao amin'ny anjerimanontolo ny taona 2016. Toherin'ireo mpianatra ilay fiakarana izay nitazona ireo Afrikana Atsimo mahantra tsy ho afaka hahazo fianarana ambony. Tao amin'ny Anjerimanontolo Witwatersrand (fantatra ihany koa amin'ny hoe Wits ) no nanomboka ireo fihetsiketsehana, ny Alarobia 14 Oktobra lasa teo, ary niparitaka nanerana an'i Afrika Atsimo.
Lasa fitaovana fifandaminana ho an'ireo mpianatra sy ireo mpanohana azy ireoilay tenifototra #FeesMustFall nampiasain'ireo mpanao hetsika. Niaiky i Carol Danvers fa iray amin'ireo antony fahombiazan'ny hetsika ny Twitter:
people love to downplay “internet activism” but without social media sites like twitter #FeesHaveFallen may have never happen
— ˗ˏˋ blige ˎˊ˗ (@THECAROLDANVERS) October 23, 2015
tian'ny olona ny manamaivana ny “fikatrohana amin-kafanampo ety anaty Aterineto”, kanefa raha tsy nisy ny media sosialy sahala amin'ny twitter, mety tsy niseho mihitsy ny #FeesHaveFallen
Kanefa, na teo aza ny fanambaràn'ny filoha Zuma, tsy mbola nitsahatra ny tolona satria nanipika izao ny filohan'ny Kaomity Mpisolotena ny mpianatra sady iray amin'ireo mpitarika ny hetsika #FeesMustFall, Shaeera Kalla:
I am already questioning what will happen next year, & the following? W/O a commitment to free education 0% fee increase isn't a victory.
— Shaeera Kalla #Oct14 (@shaeera_k) October 23, 2015
Manontany tena sahady aho hoe inona no hiseho amin'ny herintaona, & ny manaraka? Rehefa tsy misy fanomezan-toky ny amin'ny fianarana tsy andoavam-bola, tsy fandresena ny 0% fiakaran'ny saram-pianarana.
Tenifototra mamitaka?
Tonga ireo fanontaniana mikasika ny fampiasàna ilay tenifototra mba hankalazàna ilay fanambaràna ny fiakarana ho aotra isan-jato, #FeesHaveFallen. Nilaza ireo Afrikana Tatsimo sasany fa mamitaka ilay tenifototra, satria tsy miova ilay saram-pianarana sady sakana ho an'ny ankamaroan'ireo Afrikana Tatsimo.
Manontany tena i Lethabo raha tena nidina tokoa ny saram-pianarana:
#FeesHaveFallen but like have they? I still can't afford to graduate because well, where am I going to get +/- R50 000…?
— more than Lethabo (@CallMeAfriKa) October 24, 2015
#FeesHaveFallen fa tena toy izany tokoa ve? Mbola tsy afaka mahazo diplaoma ihany aho satria, aiza aza aho no hahazo +/- R50 000…?
Maminany mialoha fiakarana be amin'ny saram-pianarana i Tiyaselani ho an'ny taona 2017:
@sliez0 you are absolutely right, the fees for 2017 will increase ka 20% watch #FeesHaveFallen
— Tiyiselani (@TiyaInnocent) October 24, 2015
@sliez0, tena marina mihitsy ny anao, hiakatra 20% ka ny saram-pianarana ny taona 2017 raha jerena ny #FeesHaveFallen
Nampahatsiahy ireo Afrikana Tatsimo i Lord Zange Aphoswe hoe:
If you are really woke you can't use #TUTmustFall or believe in #FeesHaveFallen . University is still expensive and inaccessible to many
— Lord Zange Aphoswe (@Mzo_XO) October 24, 2015
Raha tena efa mifoha tsara ianao, tsy afaka mampiasa ny hoe #TUTmustFall na mino ny hoe #FeesHaveFallen . Mbola lafo hatrany ny anjerimanontolo ary tsy takatry ny maro
Ary nampitandrina momba ilay tenifototra mamitaka:
The Dangers Of A Hashtaged Stuggle #FeesMustFall Another Hashtag Can Be Made To Confuse The Masses #FeesHaveFallen . Fees Are Still High.
— Lord Zange Aphoswe (@Mzo_XO) October 24, 2015
Ny Zava-doza Ateraky ny Ezaka Iray Ampiasàna Tenifototra #FeesMustFall dia Afaka Misy Tenifototra iray Hafa Manakorontana #FeesHaveFallen . Mbola Ambony Hatrany Ny Saram-pianarana.
‘Tsy misy na inona na inona niova’
Nanamarika izao i Drewan Baird:
The reality is that #FeesHaveFallen has been hushed into FeesHaveNotFallen. Nothing's changed; something has been prevented.
— Drewan Baird (@DrewanBaird) October 25, 2015
Ny tena marina dia sempotr'ilay hoe TsyNidinaNySaram-pianarana ilay hoe #FeesHaveFallen. Tsy nisy na inona na inona niova; nisy zavatra voasakana.
Nahita toerana vaovao nifantohana ho an'ireo mpikatroka mafana fo any Afrika Atsimo i Farieda Khan:
#FeesHaveFallen & focus shld now be on forcing #ANCGovt to end #waste #extravagance #maladministration #corruption NOT finding more revenue!
— Farieda Khan (@FaredaVandeKaap) October 24, 2015
#FeesHaveFallen & fifantohana, tokony hanery ny #ANCGovt mba hampitsahatra #waste (ny fanarinariana fahatany) #extravagance (fandanindaniam-poana) #maladministration (tsy fahaizana mitantana) #corruption (kolikoly) FA TSY mitady fidiram-bola misimisy kokoa!
Mampitandrina ireo olona mitaky ny fampianarana tsy andoavam-bola i Goldman:
Economics 101: Education “free” = unlimited demand. Everyone wants free stuff (even if they cannot really use it!).#FeesHaveFallen
— goldman (@goldmanstokvel) October 24, 2015
Toekarena 101: Fampianarana “tsy andoavam-bola” = fangatahana tsy misy fetra. Samy te-hanana zavatra tsy andoavam-bola daholo ny rehetra (na dia tsy afaka mampiasa io tanteraka aza izy ireo!).#FeesHaveFallen
Raha naneho ny fahatahorany kosa i Gugz Chantelle Nkosi:
Okay, the fees will not be raised, that's great. Now , our quality of education will be compromised. Are you happy now? #FeesHaveFallen
— Gugz Chantelle Nkosi (@Chantii_Lii310) October 25, 2015
Eny, tsy hampiakarina ny saram-pianarana, tsara tokoa izany. Ankehitriny, ho voatohintohina ny kalitaon'ny fampianarantsika. Faly ve ianao ankehitriny? #FeesHaveFallen
Nanome lesona lehibe ho an'ireo mpikatroka mafana fo any amin'ireo firenena hafa ireo fihetsiketsehana ireo, toa an'i Boniface Mwangi any Kenya sy Elnathan any Nizeria:
Activists in the rest of Africa can polish their organising skills with lessons from #FeesHaveFallen. People power. pic.twitter.com/kWWpOIutKq
— Boniface Mwangi (@bonifacemwangi) October 24, 2015
Afaka manatsara ny fahaizamanaony amin'ny fandrindràna avy amin'ilay #FeesHaveFallen ireo mpikatroka mafana fo any amin'ireo faritra sisa ao Afrika. Ny fahefam-bahoaka.
As #FeesHaveFallen in South Africa, common sense continues to fall in Nigeria among young people. Exciting times in Africa.
— Elnathan (@elnathan) October 23, 2015
Tahàka ny #FeesHaveFallen any Afrika Atsimo, mitohy midina hatrany ny fahaizamiaina any Nizeria eny anivon'ireo tanora. Fotoana mampientanentana any Afrika.