Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Manao fanangonan-tsonia hanoherana ny halafon'ny aterineto ny Mozambikana

Redes Moveis em Moçambique. Foto: Brough Turner /Flickr (CC BY-NC 2.0)

Tambajotram-pinday ao Mozambika. Photo: Brough Turner /Flickr (CC BY-NC 2.0)

Nandiso fanantenana ireo mpiserasera Mozambikana sy ireo zatra ny aterineto ao ny lalàna vaovao manakantsakana ny fahazoana aterineto ao Mozambika.

Tamin'ny 26 Oktobra lasa teo dia nampakatra hatramin'ny 75 isanjato ny fidirana amin'ny aterineto ireo Orinasa Mpanome Tolotra Aterineto (OMTA) telo goavana ao amin'ny firenena.

Nitranga izany taorian'ny fanapahan-kevitra (19/CA/INCM/2015) nataon'ny Ivontoerana Nasionaly Misahana ny Fampitan-Kafatra (INCM), nivoaka tamin'ny 29 Jolay izay manapaka ny fanampiana ireo OMTA Mozambikana (ka tafiditra amin'izany ny fanohanana ara-bola ny raharaha rakitahiry, hafatra antsoratra sy feo) hatramin'ny 75% :

Preservar o ambiente de uma regulação imparcial que assegure a consolidação e desenvolvimento [saudável] na competição entre as operadoras de telecomunicações e proteja os interesses dos consumidores”.

Hitsinjovana ny tontolon-dalàna tsy mitongilana miantoka ny fanamafisana sy ny fampandrosoana [matanjaka] eo anivon'ny fifaninanan'ny orinasam-pifandraisandavitra, sy hiarovana ny tombontsoan'ny mpanjifa.

Niantraika tamin'ny Mozambikana mihoatra ny 25 tapitrisa ny fanapahan-kevitra. Noho ny lazaina ho fifaninanana eo amin'ny tsenan'ny fifandraisandavitra dia niakatra ny vidin'ny fiseraserana an'aterineto. Araka ny Alliance for Affordable Internet, [Firaisankina Hahatakarana ny Vidin'ny Aterinato] ny saran'ny fidirana aterineto amin'ny ankapobeny ao Mozambika dia mitovy amin'ny atsasaky ny karama kely indrindra eo amin'ny sehatra nasionaly.

Ao #Moçambique, araka ny @webfoundation, ny aterineto 1mb isan-tsegondra dia mitovy amin'ny 50%n'ny harinkarena anatin'ny olona tsirairay. Hadalàna raha oharina amin'ny firenenkafa.

Ho setrin'ny fepetra noraisin'ny INCM, dia nisy vondron'olompirenena nanentana ny fanangonan-tsonia ampahibemaso hatolotra ny Governemantan'i Mozambika, ny mpikambana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ary ny INCM.

Asongadin'ny fanangonan-tsonia fa nanao fampanantenana lasa tsy tanteraka ny Filohan'i Mozambika Filipe Jacinto Nyusi:

O Presidente da República, Filipe Jacinto Nyusi, mostrou estar interessado em expandir o acesso às Tecnologias de Informação e Comunicação (TIC): “Quero que os Moçambicanos vivam num país cada vez mais iluminado, muito para além das sedes distritais, com fontes de energia diversificadas (…) e que tenham o acesso universal às tecnologias de informação e comunicação.” Estas lindas palavras trouxeram esperança para uma geração ávida em aceder às TIC's, mas [o] que se vê nos dias de hoje [é] uma atitude oposta por parte do Governo em limitar o acesso à Internet.

Nampiseho fahalianana amin'ny hanitarana fahazoana miditra amin'ny teknolojiam-pampitan-kafatra sy fampitam-baovao (TIC) ny filohan'ny repoblika, Filipe Jacinto Nyusi : “Tiako ny Mozambikana hiaina ao anatin'ny firenena mihamamirapiratra hatrany, hatrany amin'ny lavitry ny foiben'ny distrika any, manana loharanon'angovo isan-karazany (…) ary ho afa-miditra amin'ny teknolojian'ny fampitan-kafatra sy fampitam-baovao (TIC).” Nitondra fanantenana tamin'ny taranaka mailaka amin'ny resaka TIC izany teny mahafinaritra izany, saingy ny hita amin'izao fotoana izao dia ny fihetsika mifanohitra amin'izany, avy amin'ny governemanta hametra ny fahazoa-miditra amin'ny aterineto.

Navoitran'ny fanangonan-tsonia avy eo:

Segundo a Internet World Stats (IWS:2015), Moçambique continua sendo um dos países de África e do mundo com baixa percentagem da população com acesso à Internet, situando-se em apenas 5.9%, isto é, 94.1% da população não tem acesso à Internet. Estes dados são preocupantes quando pensamos em ter uma sociedade mais informada, que participe e exerça a sua cidadania através da Internet. Contudo, lembramos que a Organização das Nações Unidas (ONU) publicou, em 2011, um relatório sobre promoção e protecção do direito à liberdade de opinião e expressão. No documento, a instituição ressalta que desconectar as pessoas da Internet é um crime e uma violação dos Direitos Humanos. Impedir o acesso à informação pela web infringe, segundo a ONU, o Pacto Internacional de Direitos Civis e Políticos, de 1966. De acordo com o Artigo, “todo cidadão possui direito à liberdade de expressão e de acesso à informação por qualquer tipo de veículo.”

Araka ny Internet World Stats (IWS:2015), i Mozambika dia mbola mitoetra ho anisan'ny firenena manana ny isanjato ambany indrindra amin'ny fidiran'ny mponina ao aminy aterineto, na amin'ny firenena rehetra eto Afrika na manerantany, mijoro amin'ny 5,9%, izay midika fa tsy afa-miditra aterineto ny 94,1%-n'ny mponina. Manaitra ireo tarehimarika ireo raha mieritreritra amin'ny hanànana fiaraha-monina mahara-baovao tanteraka isika, izay mety afa-mandray anjara feno ny mahaolompirenena antsika amin'ny alalan'ny aterineto. Ary mampahatsiahy izahay fa tamin'ny 2011 ny Firenena Mikambana dia namoaka tatitra amin'ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny. Tao amin'ny tahirin-kevitra dia nasongadin'ny fikambanana fa heloka bevava sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny fampihatahana ny vahoaka amin'ny aterineto. Araka ny nolazain'ny Firenena Mikambana ihany, manitsakitsaka ny Fifanarahana Iraisampirenena momba ny Zo Sivily sy Politika nivoaka tamin'ny 1966 ny fanakànana ny olona tsy hahalala vaovao. Manaraka ao amin'ny lahatsoratra, “Ny olompirenena tsirairay dia mitazona ny zo haneho hevitra sy ny fahafahana mahazo vaovao amin'ny alalan'ny karazam-pantsona misy rehetra.”

Nahazo fanohanana avy hatrany tamin'ny gazety mozambikana Jornal @Verdade ilay fanangonan-tsonia:

Tokony hitroka ny @AlexandreMZz aloha ianareo: Fanangonan-tsonia manohitra ny fiakaran'ny fehezana aterineto eto #Moçambique
peticaopublica.com.br/pview.aspx?pi=BR86002 …

Mandritra izany fotoana izany ny mpanjifa mandraraka ny fitarainany amin'ny fiakaran'ny saran'ny fehezana rakitahiry alain-dry zareo.

Mauro Justino Muianga nitezitra :

A Vodacom diz que pode alterar as tarifas sem pré-aviso aos clientes, mas meus senhores, isso é uma pura falta de respeito para com os vossos fieis clientes. Moçambicano é compreensivo mas até esse ponto não dá. Já é hábito pedir licença e mesmo com “porta aberta”. Porque custa a vocês também copiarem esse hábito?

Milaza ny Vodacom fa afa-manova ny taha tsy milaza mialoha ny mpanjifa, saingy tompokolahy sy tompokovavy, tena tsy misy fanajana ireo mpanjifa mahatoky anao mihitsy izany. Moramorainy ny Mozambikana, eny, fa raha amin'izao ambaratonga izao, tsia. Mahazatra anareo ny mangataka alalana, eny fa na dia “malalaka aza ny varavarana”. Fa maninona no sarotra dia sarotra aminareo ny manaraka izany fomba izany?

Gilberto Manuel Manhiça, mpandahatra ara-tsolosaina, malahelo amin'ny fahanginan'ny firaisamonim-pirenena amin'ity raharaha ity:

O que está a acontecer neste meu grande País é incrível pessoal. Esse nosso governo que tem infiltrados nas posições mais importante do País chega a chatear-nos muito na maior parte das vezes, por causa da nossa passividade. Tenho máxima certeza que esses infiltrados no governo têm acções nessas empresas que vendem serviços de dados e voz. Esses infiltrados Calaram a ‪#‎MOVITEL para que fosse possível embutir preços altos de tal modo que a gente ficasse refém desses preços e sem alternativas nenhumas. Hoje temos esta tristeza da ‪#‎Vodacom de diminuir o volume de dados para gastarmos mais.

Tsy mampino ny zava-mitranga amin'ity firenena mahafinaritra ity ry zareo. Ny governemantantsika, izay naka ny toerana ambony indrindra ato amin'ny firenena, no manao izay hahatezitra antsika noho ny tsy fihetsehantsika. Matoky tanteraka aho fa manana petrabola sy renivola ao amin'ireo orinasa mpivarotra rakitahiry sy raharahan'antso ireo ny olona tafiditra ao amin'io governemanta io. Ampanginin'ireo tafiditra ireo ny ‪#‎MOVITEL mba hahatonga ny fampakaram-bidy amin'ny fomba mahakendaroroka ny olona amin'izao sarany vaovao izao tsy mahita fomba na làlana hafa. Ankehitriny isika manana […] ‪#‎Vodacom mampihena ny habetsaky ny rakitahiry handrisihana antsika handoa betsaka kokoa.

Mauro Brito, mpandala ny tontolo iainana sady mpikatroka ara-tsosialy milaza ny fanapahan-kevitra ho “fepetra handrarana ny fanentanana sy ny fandraisana anjara”:

Não compreendo. Aumentar os preços dos pacotes com que propósito? Não era suposto depois do mercado aberto e a multiplicidade de empresas provedoras de serviços de Internet, reduzir o preço por conta da concorrência? Isto parece-me claramente uma medida com vista a proibir o conhecimento, a participação, se somente 5.9% tem acesso numa altura em que os pacotes de Internet são caros e de baixa qualidade não quero imaginar se estes forem elevados dificultando ainda mais o acesso para grande maioria que não tem possibilidades financeiras. O que será do país?

Tsy azoko. Mampakatra ny vidin'ny fehezana noho ny antony inona? Moa ve tsy ny fanokafana ny tsena amin'ireo karazana OMTA maro dia maro no miteraka fihenam-bidy noho ny fifaninanana? […] Raha 5,9% ihany no manana [aterineto] amin'izao fotoana izao, amin'ny ambaratonga izay efa lafo no sady ambany kalitao…Dia tsy te-haminavina akory aho hoe hanao ahoana io tarehimarika io rehefa hihalafo kokoa ny aterineto, manasarotra kokoa ny fidiran'ny ankamaroan'ny olona efa tsy ampy fidiram-bola. Hanao ahoana ity firenena ity?

Farany: Tamin'ny 2 Novambra ny OMTA tsy miankina Vodacom, iray amin'ireo orinasa nampihatra ny fampiakaram-bidy dia niverina tamin'ny fanapahan-keviny. Mbola tsy namoaka fanambarana mitovy amin'izany ny Movitel (tsy miankina) sy ny Mcel (fanjakana).

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.