· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2011

Senegaly : Hetsika fanoherana ny volavolan-dalàna

  24 Jona 2011

Nanolotra volavolam-panitsiana Lalampanorenana faha-17 ny filoha Senegaly Abdoulaye Wade hatramin'ny nifidianana azy tamin'ny 2000 ho fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2012, ary nahatezitra Senegaly maro izany. Anisan'ny volavolan-kevitra ny ametrahana lisitra araka ny fomba Amerikana ka ny filoha sy ny filoha lefitra no fidiana.

Syria: Nandao Ny Orinasany Ny Rahalahin'i Al Assad Fa Hanao Asa Soa.

Ny 16 Jona, ankatoky ny Zomam-pihetsiketsehana vaovao tao Syria, nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handao ny orinasany ilay  mpandraharaha Rami Makhlouf, 41 taona, ka hiditra amin’ny asa fanasoavana. Nasser H. Al-Shaikh no voalohany nitatitra ny vaovao milazalaza izany tao amin'ny Twitter izay nanatsongany ny voalazan'ny fahitalavi-baovao Arabiya: AlArabiya: lehilahy mpandraharaha...

Ejipta: Miroborobo Hatrany Ireo Lova Navelan'i Khaled Said

Khaled Said dia tanora Ejiptiana izay maty teo am-pelatanan'ny polisy tamin'ny taona lasa, niteraka fanehoan-kevitra sy nitondra tamin'ny fionganan'ny filoha Hosni Mubarak. An'aliny ireo nanao fihetsiketsehana nanerana an'i Ejipta tsy hoe ho fankalazana fotsiny ny fitsingerenan'ny taona nahafatesany, fa hikiaka koa ny hatezeran-dry zareo momba izay lazain'izy ireo fa herisetra sy fampijaliana tsy miato ataon'ny polisy.

Sri Lanka : Fihetsiketsehan'ny Mpiasa Ao Amin'ny Orinasa Afakaba Katunayake

  22 Jona 2011

Tanora mpiasa iray no namoy ny ainy ary mpiasa maherin’ny 200 sy polisy no naratra tamin’ny fifandonana nisy teo amin’ireo polisy sy mpanao fihetsiketsehana tao amin’ny toeram-piasana « afakaba » iray tao Sri Lanka, tamin’ny fiandohan’ity volana jona ity. Nanao fihetsiketseham-panoherana ny « rafitra momba ny fisotroan-dronono » natolotry ny governemanta sri lankey ireo  mpiasan’ny...