Syria: Nandao Ny Orinasany Ny Rahalahin'i Al Assad Fa Hanao Asa Soa.

Ny 16 Jona, ankatoky ny Zomam-pihetsiketsehana vaovao tao Syria, nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handao ny orinasany ilay  mpandraharaha Rami Makhlouf, 41 taona, ka hiditra amin’ny asa fanasoavana.

Nasser H. Al-Shaikh no voalohany nitatitra ny vaovao milazalaza izany tao amin'ny Twitter izay nanatsongany ny voalazan'ny fahitalavi-baovao Arabiya:

AlArabiya: lehilahy mpandraharaha Syriana Ramy #Makhlouf nanolotra ny fananany ho an'ny fanjakana #Syria #Assad

Tao amin’ny tweet hafa, nanazava izy hoe:

#Makhlouf, havan’ny Filoha #Assad & araka ny nambaran’ny FT, mihevitra izy fa mifehy ny 60% ny toekaren’i #Syria. http://is.gd/c9zF3v

Narahina fihetseham-po teo no eo izany.

RevolisionaSyria, iray amin'ireo loharam-baovao lehibe ao amin'ny Twitter mikasika ny revolisiona Syriana, nilaza hoe:

Nihomehy aho  raha toa ka tsy rikoriko. #Makhlouf nilaza fa hatokany amin'ny asa soa ny tombotsoa azony amin'ny orinasany…. http://fb.me/TdWulPXB

Nisy ny fisalasalana nozarain'i MagdyBasha123 tao amin'ny Tweet, izay nanoratra hoe:

#mba hisy olona hilaza amiko hoe nahoana # idada no nilaza #fohazy aho raha henjehin'ny lalàna noho ny kolikoly i Rami #Makhlouf fa tsy hahazo sitraka ho toy ny #malala-tanana #SYRIA izy

Nankasitrahan'ny sasany ny fanapaha-kevitra izay manipika matetika fa tsy ampy hanomezana fahafaham-po ny hetahetan'ny mpanao fihetsiketsehana izany. Lasyrie ni-twee hoe:

Rami #Makhlouf, nangalatra taminay ary te hamerina aminay indray ny vola izay nangalariny, tsara izany, saingy tokony hotsaraina ny mpangalatra. #syriatel #syria #syria #liban

Tamin'ny Zoma 17 Jona, namaly ny fanapaha-kevitr'i  Rami Makhlouf mba hiala tsy hitantana ny orinasany intsony ireo mpanao fihetsiketsehana izay nidina andalambe manerana ny tanànan'i Syria isaky ny Zoma nandritra izay telo volana izay.

Tao amin'ny You Tube, mpiserasera Rola8881 nanatontosa horonantsary natao tao amin'ny faritr'i  Zabadani, faritra izay ahitana sorambaventy misy soratra hoe “Hafatra ho an'i Rami Makhlouf avy aty amin'i Zabadani tamin'ny Zoma an'i Salah al Ali” (mampitaha ny fanoheran'i Syriana manoloana ny frantsay izay anisan'ny antony nanaovana ity Zomam-pihetsiketsehana faha 17 ny volana jona ity)

 

Noampangain'ny mpanao fihetsiketsehana noho ny resaka kolikoly sy ny fanaovana ampihimamba ny karazana fandraharahana rehetra ao Syria i Makhklouf, ao ny fifandraisan-davitra, ny fampahalalam-baovao hatramin'ny fandraharahana tany aman-trano. Noampangaina noho ny fandraisana anjara mivantana tamin'ny fifandonana henjana sy famaizana feno habibiana ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa izy. Ny rahalahin'i Rami, Kolonely Hafez Makhlouf, no tale lefitra ao amin'ny Sampandraharahan'ny fiarovana ankapobeny sy lehiben'ny Famotorana (Fitsikilovana) ao Damas .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.