Syria: Voajirika Ny Vohikalan'ny Masoivoho Frantsay

Ny Sabotsy 25 Jona hatramin'ny 3 ora hariva (GMT) raha kely indrindra, dia toa sahala amin'ny voajirika ny vohikalan'ny masoivoho Frantsay ao Syria: na iza na iza nitsidika ny  vohikalan'ny masoivoho Frantsay dia nanpidirina avy hatrany tamin'ity vohikala iray hafa ity (http://th3pro.pro/fr/), ka ao, lafihan'ny hiram-pirenena Siriana, no misy hafatra iray amin'ny teny Frantsay sy Arabo manakiana ny “endrika miiban'ny fandraisanareo anjara amin'ny fiokoana hamely amìn'i Syria ary ny hetsika hanoherana ny fantsona F24 noho ny fanelezana vaovao tsy marina momba an'i  Syria”. Ny hafatra dia narahana sary avy amin'ireo hetsika nataon'ny mpomba ny governemanta tao Syria [dika sarinà fàfana].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.