[Ny lahatsoratra tena izy dia navoaka voalohany tao amin'ny La Opiñón [es], gazetim-bahoaka ao anaty aterineton'ny tambajotra Mi Voz (My voice) network]
Nihanahazo hery ny hetsika sosialy iray izay mitaky hatsaràm-piainana bebe kokoa sy fihenan'ny vidim-piainana any amin'ny Faritr'i Aysén any Patagonia Shiliana, araka ny voatatitr'i Elizabeth Rivera teo aloha to an'ny Global Voices .
Azon'ireo olom-pirenena any Aysén sary ary nampakarin-dry zareo tany amin'ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy ireo fifandonana miharo herisetra izay niseho nandritra ny maraim-ben'ny 22 Fabroary, ny fanakànana ny arabe teo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, ny famoretan'ny mpitandro filaminana sy ny hetsi-panoherana tsy misy fiafaràny.
Ny Twitter no sehatra izay mampiseho ny sary tena manohina avy amin'ireo hetsi-panoherana ireo, izay nanangoly ny faritra.
ny fakàna ny tetezan'ny Chacabuco, Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar):

Fifandonana teo amin'ny tetezan'ny Chacabuco any Aysén, 22 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)

"Fahatsiarovana ny alina iray feno herisetra tany Aysén." 22 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)
Sakan-dàlana amin'ny alina, Hetsi-panoherana ho an'i Aysén (@despiertaAYSEN):

FSakàn-dàlana amin'ny alina tany Puerto Aysén, ny maraim-ben'ny 22 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Movement for Aysén (@despiertaAYSEN)
Maneho ny heviny an-dalambe i Coyhaique, Kallfulikan (@Kallfulikan):
Arabe eo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, Patricio Segura (@patsegura):

Arabe eo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, 21 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic Patricio Segura (@patsegura)
Arabe voasakana, Alonso Nuñez (@alonso_nunez):
Arabe mankany Coyhaique, Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar):