· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2012

Shina: Mitohy Ny Fifidianana Ao Wukan Ary Mampangetaheta

Haingana be ny fikisahan'i Wukan tamin'ny fizorany ho any aminà fifidianana tsy mitanila sy mangarahara, nahatonga aingam-panahy ho an'ireo vohitra sasany tao amin'ny firenena no sady nahazo ny fanohanan'ireo mpampiasa bilaogy kiritika hatrany an-dalantsaran'ny anjerimanontolo. Na izany aza, raha kely indrindra dia iray amin'ireo mpiasa ambony ao amin'ny governemanta foibe no nanakiana ny fivoarana demaokratika avy aminà fikorontanan-tsaina.

20 Febroary 2012

Syria: Razan Ghazzawi Nosamborina … Indray

nosamborin' ny mpitandro ny filaminana Syriana i Razan Ghazzawi, mpamahana bolongana sy mpitolona ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra, miaraka amin'ny namany 13. Mitatitra i Hisham Almiraat.Syrian security forces have arrested Syrian blogger and freedom of speech advocate Razan Ghazzawi again, along with 13 of her colleagues. Hisham Almiraat reports.

19 Febroary 2012

Portiogaly: Hetsi-panoherana Ny ACTA

Tamin'ny 11 Febroary 2012, tanàna maherin'ny 200 manerana izao tontolo izao no nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana manerantany ho fanoherana ny ACTA – ny tetikasa fifanarahan'ny firenena maro manohitra ny varotra hosoka (Anti-Counterfeiting Trade...

16 Febroary 2012

Yemen: Taona Iray Rakotry Ny Revolisiona Tsy Manam-piafaràna

Manamarika ny tsingerintaona voalohan'ny revolisiona ampilaminany tsy manam.piafarana ry zareo Yemenita, revolisiona natao hanesorana ny jadon'i Ali Abdullah Saleh, izay mbola manohy ny ataony hatrany, miaraka amin'ny fanampian'ny GCC (Gulf Cooperation Council( sy ny faneken'i Etazonia sy ny Firenena Mikambana. Mizara ny fomba fijeriny ireo mpiondana aterineto.

13 Febroary 2012

Yemen: Miarahaba An'i Saleh Amin'ny Kiraro Ireo Yemenita Mpanohitra Any New York

Nanoraka kiraro nanandrify ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh vao niala teo ireo Yemenita ao New York, izay lazain'izy ireo fa tokony hijoro manoloana ny Lapam-pitsarana Iraisam-pirenena natao ho an'ireo Mpamono olona (ICC) fa tsy tokony hijanona any amin'ny Trano Fandraisam-bahinin'ny Luxury Ritz Carlton any Manhattan. Mamintina ny fihetseham-pon'ireo Yemenita amin'ny nipetrahan'i Saleh tany New York ny Noon Arabia.

13 Febroary 2012