· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2018

Nahafaty olona 170 ireo fanapoahana baomba mialoha ny fifidianana ao Pakistan, mampihemotra ny fanantenana isian'ny fandrotsaham-bato milamina

  20 Jolay 2018

Fanafihana iray monja, tamin'ny 13 jolay nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ny Antoko Awami Balochistan, dia efa nahafatesana olona 129 sy naharatrana olona am-polony. Iny no fanafihana nahafatesana olona indrindra tao Pakistan taorian'ny fitifirana tsy mitsahatra nahafatesana olona 141 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, tamin'ny desambra 2014.

Ekoatora: Manadihady Ny Tatitra Nataon'ny Kaomisiona Misahana Ny Fahamarinana Ireo Blaogera

  18 Jolay 2018

Tamin'ny May 2017, najoro tao Ekoatora araka ny didim-panjakana ny kaomisiona iray misahana ny Fahamarinana mba hanadihady sy hamory ireo vaovao mikasika an'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona izay naha-tomponandraikitra ny polisy sy ny tafika tao anatin'ireo taona 25 lasa. Ny 7 May lasa teo, taorian'ny 3 taona nijoroany, nanolotra ny tatitra nataony tamin'ny Filoha Rafael Correa ilay Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana. 831 no isan'ireo nofaritany tamin'ireo 456 niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, teo anelanelan'ny 1984 sy 2008. Manadihady an'io tatitra io aminà zoro samihafa ireo blaogera.

Inona no lazain'ny bilaogera momba ny ambanivohitr'India?

  17 Jolay 2018

Rehefa namaky bilaogy samihafa aho dia matetika izany no milaza fa mampiseho ny fisainan'ny olona saranga antonony ny famahanana bilaogy ao India. Dia tena nieritreritra tokoa aho noho izany raha marina ny lazain'ny bilaogy Indiana mikasika ireo lohahevitra tsy momba ny sarangan'olona antonony na momba ny tanandehibe sy ambanivohitr'i India.

Bolivia: Faniriana sy Fitoniana tamin'ny fetin'ny fahaleovantena

  16 Jolay 2018

Nanamarika ny faha-182 taonan'ny fahaleovantenan'ny Repoblikan'i Bolivia ny 6 Aogositra. Nomarihana tamin'ny fombafomba sy fetin'olom-pirenena mahazatra ny fotoana. Nirary tsingerintaona ho an'ny firenen'izy ireo ny bilaogera, fa ny hafa kosa naniry zavatra lehibe kokoa. Fotoana hisaintsainana ny fanantenan'izy ireo ho an'ny firenen'izy ireo ihany koa izany.