Noraràn'ny Nauru tsy handray anjara amin'ny Forum Nosy Pasifika ny Australian Broadcasting Corporation

Delegasionan'ny Forum Nosy Pasifika ao amin'ny nosy Marshall tamin'ny taona 2013. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Sekretariàn'ny Forum Nosy Pasifika. 

Noraràn'ny governemanta Nauru tsy hiditra ny firenena mba hitantara ny Fihaonamben'ny Mpitarika amin'ny Forum Nosy Pasifika amin'ny volana Septambra ny Australian Broadcasting Corporation (ABC). Nampangain'ny Nauru fa mpandiso vaovao sy mitanila ny ABC, izay fampielezam-baovaom-panjakana ao Aostralia.

Fivoriana isan-taona fanaon'ny filoham-panjakana ao Oceania ny fihaonambe, izay iresahana ireo olana goavana mikasika ny faritra.

Tamin'ny 2 Jolay 2018, namoaka fanambarana mametra ny isan'olona afaka manatrika ny fihaonambe ny governemanta Nauru noho ny “fampiantranoana tena voafetra”. Saingy navahany ny ABC ary nanazava ny antony nandrarany ity fampielezan-tsary ity izy.

…no representative from the Australian Broadcasting Corporation will be granted a visa to enter Nauru under any circumstances, due to this organisation’s blatant interference in Nauru’s domestic politics prior to the 2016 election, harassment of and lack of respect towards our President in Australia, false and defamatory allegations against members of our Government, and continued biased and false reporting about our country. It is our right, as it is the right of every nation, to choose who is allowed to enter.

…tsy misy solontena avy amin'ny Australian Broadcasting Corporation hahazo visa hiditra ao Nauru na inona na inona toe-javatra, noho ny fitsabahana miharihary nataon'ity fikambanana ity tamin'ny politika anatin'i Nauru talohan'ny fifidianana tamin'ny taona 2016, fanorisorenana sy tsy fisian'ny fanajana ny filohanay tao Aostralia, fiampangana diso sy manala-baraka natao tamin'ireo mpikambana ao amin'ny governemantanay ary fitateram-baovao mitanila sy diso hatrany momba ny firenenay. Zonay izany, ary zon'ny firenena tsirairay, ny mifidy izay avela hiditra.

Nandefa lahatsary fanadihadiana tamin'ny taona 2016 ny ABC, izay milaza fampijaliana sy fanararaotana ankizy mahasaringotra ny foibe misahana ny fitadiavana fialokalofana offshore an'ny governemanta Aostraliana, izay tantanin'i Nauru. Namoaka tatitra ihany koa izy izay milaza ny filohan'i Nauru sy ny sasany amin'ireo minisitra ho nandray kolikoly avy amin'ny mpivarotra fôsfata aostraliana. Melohin'i Nauru ho ‘manavakava-bolonkoditra’ sy manao ‘fampielezan-kevitra ara-politika mitongilana’ ireo tatitra roa ireo.

Toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany nandritra ny taom-polo maro ny nosy kely hatramin'ny nahalanian'ny tahirin'ny fôsfata tamin'ny taompolo 1980. Nahazo fanampiana avy amin'i Aostralia izy ary nampiantrano toerana famonjàna momba ny fifindramonina Aostraliana.

Talen'ny ABC News, Gaven Morris nitsikera ny fanapahan-kevitry Nauru:

The Nauruan Government should not be allowed to dictate who fills the positions in an Australian media pool.

It can hardly claim it is ‘welcoming the media’ if it dictates who that media will be and bans Australia's public broadcaster.

Tsy tokony avela handidy izay hameno ny toerana (asa) ao amin'ny haino aman-jery Aostraliana ny governemantan'i Nauru.

Tsy afaka milaza izy fa “mandray ny media” raha mandidy hoe iza izany media izany ary handràra ny haino aman-jerim-panjakana ao Aostralia.

Namaly avy hatrany ny governemanta Nauru tamin'ny famaritana ny fanambaran'ny ABC ho “mianjonanjona, tsy misy fanajana sy ohatra fanampiny kokoa amin'ny fahatsapana feno fireharehana eo amin'ity fampitam-baovao mpikatroka ity.” Hoy koa izy:

We remind the ABC that we – like Australia – have every right to refuse a visa to any person or organisation that we believe is not of good character, and that entry into our country is a privilege not a right. The Australian media do not decide who enters Nauru.

Mampahatsiahy ny ABC izahay fa – tahaka an'i Aostralia – manan-jo rehetra handà visa ho an'izay olona na fikambanana heverinay fa ratsy toetra izahay, ary tombontsoa ny fidirana ao amin'ny firenenay fa tsy zo. Tsy manapa-kevitra izay hiditra ao Nauru ny media Aostraliana.

Nilaza ny praiminisitra Aostraliana fa “mampalahelo” ny fanapahan-kevitr'i Nauru saingy tsy nety naneho hevitra amin'ny anaran'ny ABC izy.

Nilaza ny Fiarahan'ny Media, Fialam-boly & Zava-kanto, tambajotra Aostraliana misy ireo mpiasan'ny fampahalalam-baovao fa tokony hanohy ny raharaha amin'ny manampahefana ao Nauru ny governemanta:

This is an attack on press freedom that our government needs to condemn in the strongest possible terms. Recognising the sovereignty of another nation does not extend to accepting they have the right to prevent free and open reporting.

Fanafihana ny fahalalahan'ny gazety izany izay tokony melohin'ny governemantanay amin'ny fiteny mafy indrindra azo atao. Ny fankatoavana ny fiandrianan'ny firenena hafa dia tsy midika fanekena fa manan-jo hanakana fitateram-baovao malalaka sy misokatra izy ireo.

Nandrahona hanao ankivy ny lanonana ao Nauru ny “Fitaratry ny Gazety Parlemantera Federaly” ao Aostralia:

If the ban is not reversed, the media pool will be disbanded. If one cannot go, none will go.

We oppose the Nauru edict because it is wrong in this instance and because it sets a dangerous precedent. What other Australians might be banned from a similar group by another government in future? We stand for a free press, not a banned one.

Raha tsy foanana ny fandraràna, dia ho foana ny firaisan'ny media. Raha misy iray tsy afaka mandeha, dia tsy handeha ny rehetra.

Manohitra ny didin'ny Nauru izahay satria diso izany amin'ity trangan-javatra ity ary satria mametraka ohatra mampidi-doza izany. Aostraliana hafa iza ihany koa no horaràn'ny vondrona tahaka izany avy amin'ny governemanta hafa amin'ny ho avy? Manohana ny fahalalahan'ny gazety izahay, fa tsy fandraràna azy ireo na dia iray aza.

Nine Network avy ao amin'ny Red Ink of Australia naneho fanohanana ho an'ny ABC:

ABC is our competitor, and a tough one at that, but there is something bigger at stake here than beating a rival.

Mpifaninana aminay ny ABC, ary anisan'ny mafy, saingy misy zavatra lehibe kokoa mila vahana noho ny midaroka mpifaninana.

Nomelohin'ireo vondrona media hafa ao amin'ny faritra ihany koa ny fandraràna ny ABC. Fitaratry ny Gazety Parlemantera New Zealand nilaza hoe:

This decision follows already restrictive conditions, limiting the number of journalists who can attend this important regional summit. While infrastructure constrains play a role in limited pooling numbers, we are appalled by this attempt to control media coverage.

Efa arahana fepetra famerana sahady izany fanapahan-kevitra izany, mametra ny isan'ireo mpanao gazety afaka manatrika ity fihaonamben'ny faritra lehibe ity. Raha mametra ny isan'ny mpandray anjara ny fotodrafitrasa, gaga tamin'ity fikasana hifehy ny fitantaran'ny haino aman-jery ity izahay.

Dan McGarry, talen'ny media ao amin'ny Vanuatu Daily Post, nanazava ny antony mahatonga ny gazety tsy handefa solontena ho any Nauru amin'ny volana Septambra:

I instructed the Daily Post’s editor to withdraw our reporter from the Vanuatu media delegation allotted to covering this event.

This isn’t a self-righteous, moralising action. It’s a survival tactic. If we allow ourselves to get into a situation where our ability to report is predicated on how positive our coverage is, then we can’t do our job.

Nanome baiko ho an'ny tonian-dahatsoratry ny Daily Post aho mba hanala ny mpitati-baovaonay ao amin'ny delegasionan'ny media tsy handeha hitatitra ity hetsika ity.

Tsy fanamarinan-tena, na hetsika manome maoraly izany. Fa tetikady hivelomana indray. Raha mamela ny tenanay hiditra amin'ny toe-javatra izay hilazana ny fahafahanay hitati-baovao hoe tsara ny fitantarana ataonay izahay, dia tsy afaka manao ny asanay izahay.

Fikambanana famoaham-baovaon'ny Nosy Pasifika nandrisika an'i Nauru mba handinika indray ny fanapahan-keviny mba hampiroborobo ny fahasamihafan'ny media:

The Pacific is on display and can be proud of its media diversity and efforts to strengthen our communities through dialogue and communication.

Miseho i Pasifika ary afaka mirehareha amin'ny fahasamihafan'ny mediany sy ny ezaka hanamafisana ny fiarahamoninay amin'ny alalan'ny fifanakalozan-dresaka sy ny fifandraisana.

Nilaza ny Federasiona Iraisampirenen'ny Mpanao gazety fa mametraka ohatra mampidi-doza i Nauru:

Governments, leaders and politicians must remember the role of the media, and not use their powers to control and stifle press freedom. The Nauru Government is setting a dangerous precedent by barring ABC journalists’ from covering the Pacific Island Forum.

Tsy maintsy mahatadidy ny andraikitry ny haino aman-jery ny governemanta, mpitarika sy mpanao politika, fa tsy mampiasa ny fahefan'izy ireo hifehezana sy hanampenam-bava ny fahalalahan'ny gazety. Mametraka ohatra mampidi-doza amin'ny alalan'ny fandraràna ireo mpanao gazetin'ny ABC tsy hitati-baovao momba ny Forum Nosy Pasifika ny governemantan'i Nauru

Ny hetsika amin'ny Septambra izay hampiantranoan'i Nauru dia ny Forum Nosy Pasifika faha-49.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.