Ny hetsiky ny vehivavy Iraniana tsy nisy fanavakavahana ny lahy sy ny vavy na sokajin-taona

(Marihina fa tamin'ny 23 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanao hetsika marobe toy ny Sonia Iray Tapitrisa Mitaky ny Fanovana amin'ny Lalanan'ny Fanavakavahana  ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy Iraniana ary nikarakara hetsika fanoherana am-pilaminana manohitra ny fanavakavahana izy ireo. Nosamborina ary nalefa tany am-ponja nandritra ny andro sy herinandro vitsivitsy ny sasany tamin'ireo vehivavy ireo. Mbola nanohy ny tolony ho an'ny rariny sy ny fahalalahana anefa ireo vehivavy Iraniana. Noho i Kosoof, bilaogeran-tsary malaza, dia afaka mahita an-tsary ireo fotoana lehibe tamin'ity fihetsiketsehana ity isika tao anatin'ny roa taona farany. Ireto misy sary miisa dimy nofantenana mba hanehoana fa tsy nisy ny resaka fanavakavahana ny lahy sy ny vavy na sokajin-taona tamin'ny tolona. Hita ao ny antitra sy ny tanora lahy sy vavy izay nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana ary ny polisy vehivavy ihany koa izay nampiasa hery famoretana tamin'ireo mpikatroka vehivavy .

iranian womens movement

iranian womens movement

iranian womens movement

iranian womens movement

kosw5.jpg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.