· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2018

Afrika Atsimo: Horakoraka taorian'ny fandavana ny visa ho an'ny dalaï-lama

  24 Jolay 2018

''Nandà tsy hanome visa ny dalaï-lama mba hanatrehany fivoriana ho an'ny fandriampahalemana tokony hiseho tao Afrika Atsimo ny fanjakana afrikana tatsimo. Niteraka horakoraka manerana ny aterineto ilay fanapahankevitry ny fanjakana, tao amin'ny Twitter ka hatrany amin'ny Facebook sy ireo blaogy (amin'ny teny anglisy avokoa ireo rohy rehetra).''

Manome tanana ireo Syriana nafindra toerana ny Jordaniana na dia misisika hanidy ny sisintany aza ny governemanta

Dokotera 250 mahery, mpanampy mpitsabo sy vondrona mpitsabo no nanolo-tena an-tsitrapo sy mipetraka anaty trano lay ao Al-Ramtha mba hanampy izay mitady fitsaboana, ankoatra ny fiantohana ny tsy fiparitahan'ny areti-mifindra na viriosy amin'ireo Syriana nafindra toerana ao amin'ny sisintany. Nisy ireo marary sasany nalefa any amin'ny hopitalm-panjakana Jordaniana.

Pakistana: Mbola Arahina Maso Foana Ny Aterineto

  22 Jolay 2018

Taorian'ny fanapahankevitry ny fitsarana noraisina vao haingana, nanapa-kevitra ny fanjakana hanara-maso tranonkala malaza vitsivitsy toy ny Google, Youtube, Facebook, Hotmail izay mety ahitana votoaty mampisalasala sady maniratsira fivavahana ho an'ny silamo. Fanehoankevitr'ireo blaogera pakistaney.

Però : Fifandirana Manodidina Ny Didim-panjakana Laharana 1097

  20 Jolay 2018

Ny 1 Septambra 2010, navoaka tany Però ny votoatin'ny didim-panjakana laharana 1097. Mandrindra ny fampiharana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izy io. Kianin'ireo mpikatroka mafana fo sy mpiaro ny zon'olombelona ilay didim-panjakana izay mety manafina endrika vaovaon'ny famotsorankeloka ho an'ireo vondrona misarintsarina miaramila.