· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2018

Tanzania: Bodoin'i Obama Ny Tontolom-bolongana Swahili

  15 Jolay 2018

Na manohana an'i Obama aza aho, heveriko fa mbola aloha loatra izao ny hisainana ny fampidirana azy ho ao anaty lisitr'ireo filoham-pirenena amerikana lehibe indrindra. Ry Chemi anabaviko, mila manaporofo izany izy mandritra ny fotoana itondrany ary aorian'izay isika vao afaka hiresaka an'io.

Te ho maritiora ve sa tsia

Ao Iran, misy olona milaza ny tenany ho te-ho martiora ary manao hetsika ao an-tanàna mba haneho ny fahavononany ho faty ho an'ny Repoblika Islamika. Herinandro vitsy lasa izay, nanasa bilaogera maromaro manana fomba fijery samihafa mba hizara ny hevitr'izy ireo momba ireo te-ho maritiora i Mohammad Masih.

Korea: 518, Fandripahana tao Gwangju

  12 Jolay 2018

518 ny tarehimarika. Tarehimarika tsy adinon'ny Koreana. Feno '518' nandritra ny andro maromaro ny bilaogy ho fahatsiarovana ny Fandripahana tao Gwangju (Hetsika Demaokratizasiona tao Gwangju) tamin'ny 18 May 1980.