Tsy hangina intsony: tonga hatrany an-kianja filalaovana baolina kitra ny ny tsikera momba ny fandraisana an-tànana ny horohorontany tao Tiorkia

Pikantsary ahitàna ny kianja avy amin'ny lahatsarin'ny fantsona YouTube ofisialin'ny klioba baolina kitra Besiktas.

Fotoana tsy ho adino velively rehefa injay ireo mpankafy marobe ny Besiktas, iray amin'ireo klioba lehibe ao Tiorkia, ka nanipy kilalao bera an'arivony maro teo amin'ny kianja Vodafone — kianjan'ny Besiktas — tamin'ny 4 ora sy 17 mn tsy diso, ora namelezan'ilay horohorontany nandravarava ny faritra atsimo-atsinanan'i Tiorkia tamin'ny 6 Febroary. Nikarakara hetsika ny klioba ho fahatsiarovana ireo ankizy rehetra namoy ny ainy nandritra ilay horohorontany, miaraka amin'ny fikasàna hanolotra ireo kilalao ho an'ireo fianakaviana nafindra toerana sy sisimpaty tamin'ilay loza voajanahary. Segondra vitsy talohan'izay, nasesy naseho teny amin'ny fàfana fametahana ny tarehimariky ny lalao tamin'ny 26 Febroary ny takelaka famantarana ny laharan'ny fiara avy amin'ireo faritany voakasik'izany.

Novazavazain'ireo mpankafy tao amin'ny kianja ihany koa ny fitakiana ny fametraham-pialàn'ny governemanta. Tsy io no lalao baolina kitra voalohany nahitàna ny hatezerana tafakatra teny an-kianja vokatry ny fahataràna sy ny fitavozavozàn'ny fandraisana an-tànan'ny fanjakàna ny tany amin'ireo faritany niharan'ny horohorontany. Ny 25 Febroary, nandritra ny lalao Fenerbahce, nanao antso avo ihany koa ireo mpankafy nitaky ny fametraham-pialàn'ny governemanta: “Yalan yalan yalan, dolan dolan dolan, 20 sene oldu istifa ulan!” adika hoe, “Ry tranon-dainga, 20 taona izao, mametraha filàna nama a!”

Ireo mpankafy ny Fenerbahce tao Kadikoy: Ry tranon-dainga, 20 taona izao, mametraha filàna nama a!

Nitafy fanamiana misy ny anaran'ireo faritàny tratry ny horohorontany ireo mpilalaon'ny Fenerbahce:

Ny akanjo tinafin'ireo mpilalaonay, nanasongadina ny anaran'ireo faritany niharan'ilay horohorontany nahatsiravina izay nitondra alahelo lalina ho an'ny firenentsika.

Tao amin'ny Twitter, naneho ny firaisankinany ihany koa ilay klioba. Tanaty andiana bitsika, nasongadin'ilay klioba ny laharana famantarana ireo fiara avy any amin'ireo faritany trà-doza, narahana soratra hoe “Aza mangatsiaka, miaraka aminareo i Fenerbahce,” tamin'ny minitran'ny lalao nifanandrify tamin'ireo laharana famantarana ny fiara avy amin'ny faritany.

Ilay mpanao  gazety, Can Dundar, mino fa ireo antso natao nandritra ny lalao Fenerbahce no voalohany antso niraisan'ny vahoaka nitakiana ny fametraham-pialàn'ny governemantan'ny antoko mpitondra (AKP).

Poa toy izay ny valinkafatra avy amin'ny fanjakana. Ny mpitarika ilay antoko nasiônalista, Devlet Bahceli, nangataka ny handraràna ireo mpankafy tsy hahazo manatrika lalao baolina kitra intsony:

Tsy maintsy mandray izay fepetra ilaina sy faran'izay haingana ireo lehibena klioba baolina kitra mba hisian'ny lalao tsy atrehan'ny mpijery, na mandray izay fepetra fisorohana sahaza. Manaraka maso akaiky ny raharaha ny Antokon'ny Hetsika  Nasiônalista.

Bahceli koa naneho hevitra momba ilay antsoantso nandritra ny lalao nitakiana ny fametraham-pialàn'ny fanjakana. Tao anaty bitsika iray hafa, nolazain'ilay mpitarika fa ireny antso ireny dia sady tsy “tomponandraikitra” no “tsy misy dikany”. Fa mbola tantara ihany koa no nataon'ilay mpitarika tamin'ny fanambaràny ôfisialy ny fanapahankeviny hametraka fialàna tsy ho ao anatin'ilay klioba. Marobe ireo pôlitisiàna naneho hevitra tao amin'ny Twitter momba ny fametraham-pialàn'i Bahceli, nanakiana ilay fanapahankevitra no sady nilaza fa diso eritreritra ilehio:

Maty 44.374! naratra 100.000! Trano rava na misy fahavoazana goavana 173.000! Niteny izahay fa tsy nisy ny tranolay! Tsy misy fanjakàna! Tsy nisy fametraham-pialàna na iray aza! Olona tokana monja no mba nahatakatra ny tianay hambara, saingy na izy koa aza dia diso fandray.

Nibitsika ny mpitarika ny Antokon'ny Hoavy, Ahmet Davutoglu:

Nitaky ny fametraham-pialàn'ny governenamta ny teny amin'ny “tribunes”. Mbola diso fandray indray i Bahceli, niala tao amin'ny Besiktas izy.

Mpitarika antoko iray hafa, Muharrem Ince, nibitsika hoe “Bahceli, tsy tokony ho ny Besiktas no nialànao, fa ny AKP [eo amin'ny fitondràna]”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.