
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny France 24
Aty amin'ny herintaona mialoha ny fifidianana ny ho filoham-pirenena hatao amin'ny 2024 ao Senegaly, miatrika raharaham-pitsaràna tsy milaza zavatra tsara ho an'ny zotra demaokratika ilay kandidà fototra avy amin'ny mpanohitra, Ousmane Sonko, ao anaty firenena iray efa hatry ny ela no noheverina ho toy ny fakàna tàhaka ao Afrika.
Ousmane Sonko dia endrika iray fantadaza amin'ny tontolo pôlitika senegaly : izy no filohan'ny antoko Patriotes du Sénégal pour le travail, l’éthique et la fraternité (PASTEF), efa solombavambahoaka fahiny tao amin'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny 2017 hatramin'ny 2022, ary Ben'ny tanànan'i Ziguinchor, any atsimo-andrefan'ny firenena hatramin'ny 2022. Sonko dia pôlitisiàna somary mbola tanora ihany (48 taona) ary fantatra amin'ny fomba fijeriny panafrikanista, araka ny lazain'ny bitsika nalefan'i Isaac Amadu, mpahay tantara sy ny mombamomba ireo olombelona afrikàna.
LE PANAFRICANISTE SÉNÉGALAIS OUSMANE SONKO CHANGE LES NOMS DES RUES PORTANT LES COLONIALISTES FRANÇAIS DANS LA VILLE DE ZIGUINCHOR.
Révolutionnaire et panafricaniste aguerri, notre camarade de lutte et militant anti colonialiste Ousmane change les noms des rues. pic.twitter.com/3FpTrmOs83— ISAAC AMADU ⭐️⭐️⭐️ (@lhommedacier43) December 2, 2022
OVAIN'ILAY SENEGALY PANAFRIKANISTA, OUSMANE SONKO, IREO ANARAN-DALANA NITONDRA NY ANARAN'IREO FRANTSAY MPANJANAKA TAO AN-TANANAN'I ZIGUINCHOR.
Revolisiônera sy panafrikanista mahery fo, ovain'i Ousmane, namana mpiara-mitolona amintsika no sady mpikatroka mpanohitra ny mpanjanaka ireo anaran-dàlana. pic.twitter.com/3FpTrmOs83— ISAAC AMADU ⭐️⭐️⭐️ (@lhommedacier43)
Taorian'ny fandresena azon'ny mpanohitra nandritra ireo fifidianana ben'ny tanàna sy solombavambahoaka tamin'nyJanoary sy Jolay 2022, izay nanilihan'ny vovonana nisy azy ny maha-maro an'isa ny mpiara-dia amin'ny filoha, nambaran'i Ousmane Sonko tamin'ny Aogositra 2022 ny fikasàny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny 2024. Tonga tamin'ny toerana fahatelo i Sonko tamin'ny fifidianana tamin'ny 2019, nahazo vato 15% taorian'i Idrissa Seck sy ny filoha avy nandao ny toerany Macky Sall. Amin'ny maha-filoha mpitarika ny mpanohitra an'i Macky Sall azy, efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 2012, lasibatr'ireo fanafihana atao mba hanaratsiana azy izy ankehitriny.
Ao anatin'ity lahatsary noraketin'ny mpisolovava azy ity, ary nalefa eny anaty tambajotra sôsialy, isan'izany ny media senegaly Senenews ao amin'ny YouTube, tsikaritra ireo mpitandro filaminana senegaly eo am-pamakiana ny fitaratry ny fiaran'ilay mpanao pôlitika mba hamoahana an-kery azy:
Tamin'ny 16 Febroary 2023 izany no nitranga raha iny handeha hody tany aminy iny i Sonko taorian'ny fampiantsoana azy ho eny amin'ny fitsaràna tao Dakar. Miatrika ny fitsaràna senegaly ilay mpanohitra noho ny vesatra « fanalàna baràka, fanompana, ary fanaovana hosoka », ao anaty raharaham-pitsaràna anenjehan'i Mame Mbaye Niang, minisitry ny fizahantany azy. Tsy ela akory izay dia nampangaina ihany koa i Sonko ho nanolana ary dia notànana ho ambany fanarahamason'ny fitsaràna tamin'ny Martsa 2021, rehefa avy lasibatry ny fitoriana nataon'i Adja Sarr, vehivavy mpiasa amin'ny trano fikarakaràna endrika aman-bika, tamin'ny Febroary 2021.
Araka ny nambaran'i Sonko, vokatry ny fanamboamboarana antontan-taratasy hanenjehana azy ireny fiampangàna ireny, nataon'i Macky Sall sy ny governemantany mba hanakanana azy tsy ho afaka hirotsaka amin'ny fifidianana amin'ny 2024. Izay indrindra, mety hitondra mankany amin'ny tsy fahafahany mirotsaka hofidiana ny fiampangana rehetra atao azy. Ao amin'ny kaontiny twitter, milaza izy fa lasibatry ny filam-baniiny ara-pôlitika:
Un dossier dont l'actuel premier ministre, alors ministre des Finances, a confirmé l'existence. Et ils pensent qu'ils vont utiliser ce dossier pour nous empêcher d'être candidat à la présidentielle de 2024 !
— Ousmane Sonko (@SonkoOfficiel) February 16, 2023
Antontan-taratasy iray,izy nohamafisin'ny praiminisitra amin'izao fotoana izao ny fisiany, minisitry ny fitantanambola tamin'izany. Ary dia mihevitra ry zareo ny hampiasa io antontan-taratasy io mba hanakanana anay tsy ho kandidà amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny 2024
— Ousmane Sonko (@SonkoOfficiel) 16 Febroary 2023
Araka ny lazain'ny gazety LaCroix, ny filoha senegaly dia miampanga ihany koa an'i Sonko ho « mpanakorontana » sy « mpambabo olona » taorian'ireo korontana namoizana ain'olona tamin'ny Martsa 2021.
Fitontonganana demaokratika sy fitomboan'ny herisetra pôlitika
Lasitra demaokratika ho an'i Afrika andrefana (faha-3 aorian'i Cap Vert sy Ghana teo anelanelan'ny 2015 sy 2020) hoy ny The Economist Intelligence Unit, matetika i Senegaly no raisina ho toy ny ohatra fakàna tàhaka ao Afrika Andrefana. Saingy nanomboka tamin'ny 2021, nisy fihenjanana niverimberina, ary indrindra fa « firotsahana iray tsy zakany saina » ataon'i Macky Sall no manamaloka io sary io. Momba izay, mazava ny lazain'ny andininy faha-27 amin'ny lalam-panorenan'ny firenena:
Andininy faha-27, Andininy voalohany amin'ny lalàm-panorenana n° 2016-10 tamin'ny 05 aprily 2016 momba ny fanitsiana ny Lalàm-panorenana (JORS, laharana manokana 6926 tamin'ny 07 Aprily 2016, p.505), andininy manova sy manolo ny andininy faha-27. « Dimy taona no fe-potoam-piasàn'ny filohan'ny Repoblika. Tsy misy na iza na iza afaka hisitraka fe-potoam-piasàna in-droa misesy ».
Na ohatra aza i Sall, voafidy hitondra nandritra ny fito taona tamin'ny 2012, avy eo indray fe-potoam-piasàna dimy taona tamin'ny 2019, ka mbola tsy nanambara tamin'ny fomba ôfisialy ny ho firotsahany, ny fahanginany manoloana ilay resaka momba ny fe-potoam-piasàna manaraka eo dia efa milaza zavatra betsaka. Avelan'i Sall ho ao anatin'ny manjavozavo ny rehetra aloha hatreto: ny 9 Desambra 2021, nilaza izy tao anaty antsafa nifanaovany tamin'ny France 24 “« Horesahako amin'ny fotoana maha-mety azy io adihevitra io, nefa tsy hanao fihetsika mifanohitra amin'ny demaokrasia na ny lalàm-panorenana mihitsy aho. “:
G
Raha toa i Sonko mendrika ny ho mpifanandrina mafy amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ny taona 2024 ary manohy mampiseho ny heriny ireo mpanohitra, dia voarara ny fivorivoriany tato anatin'ny volana vitsivitsy. Ankoatra izay, marobe ireo mpikatroka no nogadraina. Nosamborina ihany koa ireo mpanohitra sy mpikatroka hafa hatramin'ny niandohan'ny adihevitra manodidina ny fe-potoam-piasana fahatelo ho an'i Macky Sall.
Nandritra ny fihetsiketsehana hitakiana ny fanafahana ireo rehetra voafonja noho ny resaka pôlitika, tamin'ny Martsa 2021, olona dimy farafaha-keliny no maty. Nosamborina ihany koa i Sonko, izay araka ny voalazan'ny LaCroix, Dia mampiseho “marina ny tena endriky ny ny filoha Macky Sall” ary mampiseho “ny fanenjehana mitohy atao amin'ireo tsy mitovy hevitra aminy”.
Teo amin'ny Twitter, tsy niala tamin'ny fanasongadinana ny tsy fahampiana sy ny fihenan'ny demaokrasia ao amin'ny firenena ireo olom-pirenena.
Manoratra i Cheikh Fall, mpikatroka afrikana-senegaley hoe :
Honteux ! Tellement honteux de voir les acquis de notre démocratie s’effriter au quotidien.
Un procès entre deux citoyens d’un même pays. Au final, c’est cette vidéo que le monde entier aura retenu. Un #Senegal jadis cité en exemple qui devient la risée de toute l’Afrique. 🙃 pic.twitter.com/p64CFuEtqA— Cheikh Fall™ (@cypher007) February 17, 2023
Mahamenatra ! Tena mahamenatra ny mahita ny zavatra entin'ny demaokrasiantsika mirodana isan'andro. Fitsarana natao tamin'ireo olom-pirenena roa mitovy firenena. Tamin'ny farany, ho tsaroan'izao tontolo izao ity lahatsary ity. #Senegal iray, indray andro notononina ho ohatra fakàna tàhaka nefa nanjary fihomehezan'i Afrika manontolo. 🙃pic.twitter.com/p64CFuEtqA
— Cheikh Fall™ (@cypher007) February 17, 2023
Olom-pirenena iray hafa Pisco Galsenboy, manoratra fa :
La démocratie est chimérique au Sénégal😡😡
Les neutres ou les Nafekh de la nation ne venez plus jamais dans mes mentions pour soit disant justifier ces actes de piétinement de la démocratie et de liberté individuelle vous êtes prévenus🫵🏾— Pisco_Galsenboy🇸🇳 (@papaba221) February 16, 2023
Mahavery saina ny demokrasia ao Senegaly 😡😡 Tsy ho tonga intsony amin'ireo voalazako ny tsy miandany na ny Nafekh izay heverina hanamarina an'ireo hetsika fanitsakitsahana ny demaokrasia sy ny fahalalahan'ny tsirairay nampitandremana anareo🫵🏾
— Pisco_Galsenboy🇸🇳 (@papaba221) 16 Febroary 2023
Mihiakiaka ny fahatezerany i Alioune Tine, mpanorina ny Think Tank Afrikajom Center :
Je suis indigné par le traitement violent que les forces de l’ordre ont fait subir au Président du Pastef Ousmane Sonko. J’ai honte pour le niveau bas dans lequel est tombé la démocratie sénégalaise avec la criminalisation de l’opposition démocratique. Il est d’arrêter l’escalade https://t.co/ODEbuXExmg
— Alioune Tine (@aliounetine16) February 16, 2023
Tezitra noho ny fanaovana herisetra nataon'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny Filohan'i Pastef, Ousmane Sonko, aho. Menatra aho amin'ny fitondrantena mirefarefa izay nianjeran'ny demaokrasia senegaley miaraka amin'ny fanamelohana ny mpanohitra demaokrasia. Fampikatsoana ny fisondrotana izany https://t.co/ODEbuXExmg
— Alioune Tine (@aliounetine16) 16 Febroary 2023
Hamid, mpisolovava mpandraharaha Senegaley, ho azy dia nanondro an'i Macky Sall ireo mpilalao hafa maniry hamono ny demaokrasia senegaley sy hametraka ny firenena anaty korontana izy.
#FreeSenegal Au Sénégal 17 têtes dt le principal Macky Sall, 2 dames, 1 jeune fille, 1 Ministron, 1 individu, 2 Ministres, 1 haut commandant, 1 juge, 3 procureurs, 4 magistrats d'instance veulent assassiner la démocratie et mettre le pays dans le CHAOS. Ils ont ce lourd fardeau !
#FreeSenegal Ao Sénégal, lohandohany 17 izay ny lehibe dia Macky Sall, ramatoa 2, tovovavy 1, 1 Minisitra, olona 1, Minisitra 2, komandy ambony 1, mpitsara 1, mpampanoa lalàna 3, mpitsara tomponandraikitra 4 no maniry hamono ny demaokrasia ary mametraka ny firenena anaty KORONTANA. Manana izany enta-mavesatra izany izy ireo !
— Hamid (@HamidTidjnjaay) 24 Febroary 2023
Ny gadon'ny fihenjanana sy ny fanamelohana dia marika iray azo antoka fa ny demaokrasia senegaley dia atahorana kokoa noho ny taloha.