Nanozongozona ny media sosialy ny fitovian'ny ben'ny tanàna tiorka iray amin'i Khaleesi (Game of Throne)

Imamoglu sy Subasi, pikantsary avy amin'ny tatitra video nataon'i Gercek TV.

Raha tsy dia voamariky ny besinimaro loatra amin'ny ankapobeny i Bilecik, renivohi-paritany ao amin'ny Faritanin'i Bilecik ao Tiorkia, any avaratra andrefan'i Anatolia, dia voatosika ho hitan'ny rehetra noho ny fitsidihana vao haingana nataon'i Ekrem İmamoğlu, ben'ny tanàna vao voafidy tao Istanbul. Saingy ankoatra ny fitsidihan'ity ben'ny tanàna efa voatonona ity, dia nalaza tao amin'ny Twitter ny anaran'ny ben'ny tanàna amperinasa, Melek Mızrak Subaşı. Na ireo mpikirakira media sosialy na ireo mpikamban'ny fampahalalam-baovao, dia samy nampitaha an'i Subaşı tamin'i Daenerys Targaryen, ilay lalaovina ao amin'ny andian-tantara fanta-daza nosoratan'i George R. R. Martin, A Song of Ice and Fire [Hiran'ny ranomandry sy afo]— izay navadika ho andian-tantara nandanian'ny HBO volabe Game of Thrones tatỳ aoriana.

Nalaina sary nanao akanjo volom-biby mainty, amin'ny volony fotsy tanteraka, io sary io no niely haingana anjotra hitan'ny besinimaro fa misy itovizana amin'i Khaleesi.

Daenerys Targaryen tao amin'ny andiany fahavalo amin'ny game of thrones (ankavia) sy ny Ben'ny tanàna Melek Mızrak Subaşı (ankavanana) nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao Bilecik. Sary avy amin'ny Wikicommons (ankavia) natao lisansa (CC0) sy pikantsary (ankavanana) narindra tamin'ny canva.

Mailaka ny mpikirakira media sosialy nanoritra ny fitoviana.

🐉 Melek, anarany voalohany, mpamolaka dragona sady mpiambina ny tontolo tsy fantatra…

Daenerys avy amin'ny [taranaky ny fiandrianana] Targaryen, mpandova ny seza fiandrianana vy [tsy mety harafesenina], manan-jo ho mpanjakavavin'ny Andals, sy ireo lehilahy voalohany, mpiaro ny fanjakana fito, ny renin'ny dragona, ny Khaleesi an'ny ranomasina ahitra lehibe, ilay tsy mety may, ny mpanorotoro ny rojon'i Melek Mızrak Subaşı.

Teraka tany Bolgaria tamin'ny taona 1988 izy, ary nifindramonina tany Bilecik niaraka tamin'ny fianakaviany fony izy herintaona. Rehefa vita ny fianarany ambaratonga faharoa tany Torkia, dia niverina tany Bolgaria izy, izay nahazoany mari-pahaizana bakalorea momba ny maritrano.

Nanomboka tamin'ny taona 2014 izy no liana politika ao an-toerana fony izy mpianatra vao nahazo diplaoma. Tamin'izany fotoana izany izy nanao kandidà ho mpanolotsainan'ny tanàna misolo tena ny antoko mpanohitra lehibe indrindra, ny Antokom-bahoaka Repoblikana (CHP). Nitana ny laharana fahatelo ny antoko, taorian’ny Antoko Hetsika Nationalista, izay nitana ny laharana faharoa, sy ny antokon’ny Rariny sy ny Fampandrosoana izay antoko mitondra no tafiditra voalohany. Tamin'ny taona 2019, nandritra ny fifidianana ben'ny tanàna teo an-toerana, nandresy ny CHP, ary voatendry ho lefitry ny ben'ny tanàna i Subaşı. Noho ny famotorana ara-kolikoly dia nesorina ny filohan'ny CHP voafidy, ary i Subaşı no voafidy ho ben'ny tanàna tamin'ny Aprily 2022 taorian'ny fifidianana fahatelo.

Nanatevin-daharana an'i İmamoğlu i Subaşı nandritra ny fitsidihany tamin'ny lanonana fanokafana ny tetikasa “Trano Fahatsiarovana ny Adim-Panafahana sy Tafogorodombato Fitazanana”. Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny sehatra fampahalalam-baovao ao an-toerana Haber Turk no nilazan'i Subaşı fa anisan'ny tetikasa iraisan'ny kaominina roa nosoniavina tamin'ny volana septambra 2022 ny fitsidihan'i İmamoğlu tany Bilecik. Kinendrin'ny tetikasa ny hanampy ireo fianakaviana sahirana sy tompona orinasa madinika amin'ny famelana ireo fianakaviana handoa vola hahazoany ny filàny fototra amin'ny alalan'ny rafitra fandoavam-bola mifandrohy amin'ireo orinasa madinika isan-karazany ao Bilecik izay tratran'ny fahasahiranana ara-bola ihany koa. Iray amin'ireo fonosam-panampiana maro nomen'ny Kaominina Istanbul eo ambany fitarihan'i İmamoğlu ity rafi-panohanana (mivady) ity .

“Tsy nampoiziko ity setriny ity. Nahazo sioka (anjotra) maro tokoa aho. Gaga ihany koa izahay. Tena gaga koa ny birao mpifandray amin'ny mpanao gazety,” hoy i Subaşı tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'i Haber Turk. Niaiky ihany koa i Subaşı fa tsy zatra ilay mpiantsehatra izy ary taorian'ny nikarohana google momba an'i Daenerys vao nahafantatra azy. Taorian'ny fitsidihan'i İmamoğlu, 6.000 teo aloha ny mpanjohy twitter an'i Subaşı ka lasa 90.000 mahery, ary efa ho 100.000 ny mpanjohy azy ao amin'ny instagram.

Mailaka ireo fampitam-baovao akaiky ny antoko mitondra AKP no nanao lasibatra ny lefitry ny ben'ny tanàna lefitra. Tao amin'ny lahatsoratra iray navoakan'i Yeni Akit, voampanga ho nanao kolikoly i Subaşı, ho nanao fifanarahana tamin'ny orinasam-pikarakarana sakafo an'ny vadin'ny ben'ny tanàna lefitra rehefa manao lanonana ny kaominina ary ho manao famotsiana ny famatsiam-bola-panjakana vokatr'izany, na dia tsy misy porofo manamarina ireo rehetra ireo aza. Natsangana tamin'ny taona 1984 tao Bilecik ny Subasi Catering.

Tsy navelan'i Subaşı, 35 taona, hisy fiantraikany aminy ireo tati-baovao fanaratsiana ireny.

Nisaotra ireo mpanjohy azy tao amin'ny Twitter ny lefitry ny ben'ny tanàna:

I see your compliments, jokes and nice comments, and I thank everyone. Before I forget, Winter Is Coming! Hitako ny fankasitrahana, ny hatsikana ary ny fanehoan-kevitra mahafinaritra nataonareo, ary misaotra ny rehetra aho.

Mialoha ny hanadinoako, ho avy ny ririnina!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.