Filipina: Ilay Rivodoza Tonga Lafatra

(Marihina fa tamin'ny 12 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Rivodoza mihoatra ny roapolo no miditra ao Filipina isan-taona. Fa ny rivodoza mahery Milenyo (anarana iraisam-pirenena: Xangsane) izay vao avy namely ny faritra avaratry ny firenena dia nahatohina ny olon-drehetra niaraka tamin'ny herisetrany sy ny halehiben'ny fahavoazana navelany. Simba tanteraka i Metro Manila. Tapaka ny herinaratra tany amin'ny nosy Luzon nandritra ny herinandro teo. Voalaza fa nisy ny tondra-drano eny fa dia teny amin'ny faritra avo aza.

Afaka nanaraka akaiky ny tantara rehetra, ny sary ary ny lahatsary navoakan'ny bilaogera momba ny fiantraikan'ny rivodoza Milenyo i Basang Panaginip .

Nanoritsoritra ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Milenyo tao amin'ny nosy Panay, faritra afovoan'i Filipina i Iloilo City Boy.

Avy ao amin'ny faritra izay tena simban'ny rivodoza tanteraka i A Nagueño in the Blogosphere . Nampahatsiahy ilay bilaogera fa tsy maintsy nanome tsolotra ny elektrisiana tao amin'ny tanànakely izy sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy mba hamerenana amin'ny laoniny ny herinaratra tapaka.

Niverina tany amin'ny faritany niaviany i Airs in G ary taitra tamin'ny zavatra hitany:

“The city remains in terrible condition: no power (the electric cooperative, mired in debt, projects full power restoration only by December), no classes everywhere with the extensive damage to school buildings, hundreds of evacuees still housed in classrooms, and ordinary businesses that can't afford generators unable to function.”

“Mbola ao anatin'ny toe-draharaha mahatsiravina ny tanàndehibe: tsy misy herinaratra (ny fiaraha-miasa amin'ny herinaratra, tafiditra anaty trosa, any amin'ny volana Desambra vao hisy ny famerenana ny famatsiana herinaratra), tsy misy ny fampianarana hatraiza hatraiza miaraka amin'ny fahasimbana goavana amin'ny trano fianarana, traboina an-jatony no mbola mipetraka ao amin'ny efitrano fianarana, ary tsy afaka mihodina ny orinasa tsotra izay tsy afaka mividy gropy mpamatsy herinaratra. “

Miantso hisian'ny vavaka sy fanomezana ilay bilaogera. Jereo ny bilaoginy mba hahafantarana bebe kokoa ny fomba hanaovanao fanomezana.

Nampatsiahy ny rehetra i Sanyata fa sarotra ny fiainana any ivelan'i Manila. Naato ny fampianarana nandritra ny herinandro mahery izay efa hita tany amin'ny oniversitem-panjakana.

Namely ireo mpanao lalàna tsy miraharaha i Like a Rolling Store:

“In a time of severe economic distress, lawmakers aligned with the administration have not given up on changing the constitution, trying to make a final big push before Congress goes on recess by mid-October…While millions are languishing without power, those who wield it are still craving for more.”

“Ao anatin'ny fotoan-tsarotra ara-toekarena, tsy nitsahatra tamin'ny fanovana ny lalàm-panorenana ireo mpanao lalàna ao amin'ny fitantanan-draharaha, ary hanao ezaka goavana farany alohan'ny fifidianana ny kongresy amin'ny tapaky ny volana Oktobra … Raha an-tapitrisany maro no tsy manana herinaratra, dia mbola maniry izany mafy ihany ireo izay manana izany. “

Nanontany tena momba ny “herin'ny Natiora” i Ruffy Biazon, bilaogera iray mpikambana ao amin'ny Kongresy :

“The wrath of typhoon Milenyo, which had winds of up to 165 kilometers per hour, surely reminded us of the power of Nature, of which even the technological advances of man have proven to be no match against.”

“Ny hatezeran'ny rivodoza Milenyo, izay nitsioka rivotra hatramin'ny 165 kilaometatra isan'ora, dia inoana fa nampahatsiahy antsika tokoa ny herin'ny Natiora, izay nanaporofo fa tsy nahatohitra izany na dia ny fandrosoana ara-teknolojian'ny olombelona aza  “.

Naneho ny fihetseham-pon'ny ankamaroan'ny mponina tao Metro Manila ny lahateniny tao amin'ny Kongresy:

“Billboards which stand on government owned property should be the first to go. Whether to remove them outright or replace them with smaller sized billboards is within the power of government.”

” Ny afisy lehibe hita eny amin'ny fananam-panjakana no tokony esorina voalohany. Eo ambany fahefan'ny governemanta na ny manala izany avy hatrany na ny manolo izany amin'ny afisy kely kokoa.”

Saingy nanamarika i Alternation1 fa ireo takelaka ara-barotra izay nesorina taorian'ny fitarainam-bahoaka noho ny fahasimbana dia naverina indray izao ho fanimbana ny maso sy hampidi-doza eny an-dalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.