Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Oktobra, 2023
“Afaka mahita ny lanitra manontolo aho izao” : Afaka izao ilay Aostraliana mpanao gazety Cheng Lei
"Fihina mafy, hiakiaka an-dranomaso, mamihina ny zanako amin'ny tara-masoandron-dohataona. Nahofahofan'ny tsio-drivotra ny hazo. Affaka mahita ny lanitra manontolo aaho izao! Misaotra anareo Aostraliana.."
Mitety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ao Zimbaboe mba hahatakarana ny toedraharaha ara-politika ankehitriny
Zimbaboe, sokajian'ny tatitry ny Freedom House ho sahala amin'ny "afaka amin'ny ampahany", amin'ny alalan'ny fanomezana naoty azy 28 amin'ny 100 noho ireo lalàna mangeja ny fampahalalam-baovao sy ny fitsipika mifehy ny fampiasana ny aterineto.
Ahoana no iadian'ny Rosiana ny potinisma: Tahirin-kevitra iray
Tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra izy. imbetsaka ary amin'ny fomba maro, na dia tsy nahomby aza.
Sarin'ny sesitany: Iraniana ‘miaramilan'ny rariny’, Sholeh Pakravan
Nandritra ny fotoana iray mahavaky fo tany ambadiky ny rindrin'ny fonja iraniàna no nahafantaran'i Sholeh ny namonoana ny zanany vavy Reyhaneh noho ny famonoana mpiasa iray fahiny tao amin'ny ministeran'ny fanangonam-baovao nanandrana ny hanolana azy.
Fanapahankevitra manan-tantara: Nolavin'ny fitsarana Antampony ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao India
Ny 17 Oktôbra 2023, nisy mpitsara dimy avy amin'ny Fitsarana Antampony ao India nanapaka tsy nisy nitsipaka / nanohitra ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ireo mitovy fananahana. Niteraka ahiahy teny anivon'ireo mpikatroka LGBTQ+ io didim-pitsaràna io
Miova ny governemanta fa mbola misy Thailandey mpikatroka migadra ho nanala baraka mpanjaka ihany
"Toa mizotra mankany amin'ny fihemorana i Thailandy, manafoana ny fandrosoana andrasan'olona an-tapitrisany."
Nahazo fanakianana noho ny fanakanana ny ampahany amin'ny aterineto tsara aro ny governemanta Meksikana
"Fahadisoana ny fanakanana ny ampahany manontolo amin'ny aterineto noho ny fiheverana izay efa lany andro fa tsy azo avahana na manimba ny fifamoivoizana rehetra ao amin’ny tambajotra Tor." Hoy ny mpitondra tenin’ny Tetikasa Tor.
Mpamadika iray isanandro : Ny toetry ny trangana famadihana any Rosia
Trangàna heloka bevava maro mikasika ny famadihana sy ny fitsikilovana no nahariharin'ny gazetiboky "Holod", izay lasa matetika kokoa noho ny tamin'ny vanim-potoana taorian'ny Staliniana tany URSS.
Voasakantsakana ny fihetsiketsehana manohitra ny filatsahan-kofidian'ny Filoha Andry Rajoelina eto Madagasikara
Afa-mamaritra ny hoavin'i Andry Rajoelina tahaka ny an'i Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2009 ny kianjan'ny 13 mey. Mety hanohintohina ny fifidianana ny krizim-pifidianana.
Ny vehivavy ao Iran, ny zo nomerika sy ny fahalalahan'ny olombelona
Raha taratry ny olana manerana izao tontolo izao ny paikadin'ny governemanta Iraniàna, dia tsy maintsy tsaroana sy ankalazaina ny herimpo toka-miavaka nananan'ireo vehivavy Iraniana, izay nijoro tsara nanoloana zava-tsarotra